Tony ny onja ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso. Manaiky ny fandaminana ny mpianatra. Miroso amin’ny famahana ny olana ny minisitera mpiahy. Niravona ny disadisa teo amin’ny mpianatry ny oniversite sy ny tomponandraikitra rehefa natao ny fifampidinihana. Nitsahatra omaly, ny fitokonana ary hanaraka ny fandaminana ny mpianatra. Nanaiky ny vatsim-pianarana 3 […]
Taratra
Poa-basy inefatra: raim-pianakaviana naratra voatafika
Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Ampanataovana Atsimo, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady alina teo. Raim-pianakaviana iray naratra teo amin’ny tanany… Raim-pianakaviana iray naratra nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny amin’ny fokontany Ampanataovana, kaominina Ampanotokana, distrikan’ Ambohidratrimo, ny alahady alina tamin’ny 11 ora. Jiolahy valo nitondra basy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana, araka ny […]
Taninketsa indostrialy: hamokatra paty 32 000 fonosana Arivonimamo
Mitohy hatrany ny fampandrosoana ny indostria eny ifotony ho fampivoarana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ho fanampiana ny tantsaha mpamokatra. Notokanana ny zoma teo, tao Arivonimamo, ny orinasa mpamokatra paty ao anatin’ny tetikasa « One District One Factory » (ODOF). Hamokatra paty 32 000 fonosana, izany hoe, 540 baoritra na koa 4 […]
VAOVAO TAMBATRA
Hojerena akaiky ny fitantanam-bolan’ny orinasa Jirama. Marihina fa manana trosa hatrany amin’ny 3 535 miliara Ar ity orinasa ity, ankoatra ireo olana samihafa. Nilaza ny tale vaovao, Ron Weiss, fa hifantoka amin’ny fampitana mankany amin’ny angovo azo havaozina ny fanarenana ny Jirama. Hampihatra ny vidin’ny solika fandrehitra tena izy hatramin’ny taona […]
Fandrakofana ala : namboly zana-kazo 2 500 isa ny SPAT
Toy ny fanaony isan-taona, daty raikitra ho fambolen-kazo ho an’ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (SPAT), ny voalohan’ny volana mey, ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny tontolo iainana. Namboly zana-kazo 2 500 isa tao amin’ny ala arovana (parc) Ivoloina ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina. […]




