Taratra

Makis Ladies – «Can 2024»: fandresena an’i Kenya no tanjona voalohany

Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy “Can 2024”, ny Makis Ladies ankehitriny. Tanjona voalohany ny fandresena ny Lionan’i Kenya. J-13 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy, anio. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka, ny […]

DAKA AN-JORONY: Toy ny sahobakaka ambodirina

Tsy mbola tapitra akory ny dian-tantara mahakasika ny kianjaben’i Mahamasina sy ny Barea de Madagascar ary ny tontolon’ny baolina kitra. Eo anivony mihitsy ny rehetra amin’izao fotoana izao. Efa nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao, niaraka tamin’ny filohan’ny federasiona malagasy, fa miezaka manitsy ny tsy mety izy […]

Sombim-baovao

Hotontosaina ny 5 mey ho avy izao, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja moto scooter. Ankoatra izay, notanterahina omaly, te­ny Ivato, ny dingana voalohan’ny fifaninanana « En­duro Motul Sherco ». Eo amban’ny fiahian’ny Fede­rasiona malagasin’ny Moto (FMaM) ireo fifaninanana ireo. Niainga afakomaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina […]

Kitra –Telma Coupe: tafita ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Nifarana omaly ny 1/16, fiadiana ny amboaran’i Mada­ga­sikara, « Tel­ma Coupe 2024 », taranja baolina kitra. Nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka amin’ny fifaninanana ny Elgeco Plus, nahazo ny amboara tamin’ny taon-dasa sy ny CFFA Andohara­no­fotsy, tompon’amboara lefitra farany. Ny ekipan-dra Heribe, mpanazatra ny CFFA, nanaporofo ny maha ekipa sangany azy […]

Tenisy – ITF/CAT : Tompondakan’ny « Circuit mondial Junior J30” Rasendra Miotisoa

Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara nandritra ny fifaninanana “ITF World Tennis Tour- J30” izay natao tany Abidjan. Nahazo ny laharana voalohany Rasendra Miotisoa, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Fahombiazana tanteraka no azon-dRasendra Miotisoa, vehivavy mpilalao tenisy, nandritra ny famaranana ny fifanintsanana “Circuit mondial Junior J30”, izay natao tany Abidjan Côte […]