Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 4 530 miliara Ar ny fanafarana nataon’ i Madagasikara, nandritra ny telo volana voalohan’ny taona. Nibahana manokana tamin’izany ny akora fototra, izay nahatratra 1 029,2 miliara Ar. Manodidina ny 972 miliara Ar ny angovo, raha 812,7 miliara Ar ireo fitaovana ary 651,5 miliara Ariary ny sakafo nafarana. Miisa 14 550 ireo mpizahatany […]

Fampiroboroboana ny fizahantany : tokony hampitomboina ny mpitaridia matihanina

Singa iray mampihodina ny toekarena ny sehatry ny fizahantany. Ity farany izay manomboka miarina amin’ izao fotoana izao. Nahita asa avokoa ireo mpitaridia tamin’ny taona 2023, na izany aza, miandrandra ny hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena ny fikamban’ireo mpitaridia mpikambana ao amin’ny Association nationale des guides (ANG) hitohizan’ny fahatongavan’ireo mpizahatany […]

Miaka-bokatra : mihena hatrany amin’ny 2 350 Ar ny kilaom-bary

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana miaka-bokatra ny ao Imerintsiatosika. Mitobaka eny an-tsena, araka izany, ny vary avy any an-toerana ka tsy atahorana ny tahiry. Ankehitriny, tafidina hatrany amin’ny 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry raha mbola 1 630Ar izany teo aloha. Midina ho 2 350Ar ihany koa ny kilaon’ny vary fotsy raha 2 500Ar ny […]

Fampandrosoana ny toekarena : vonona hiara-hiasa amin’ i Madagasikara ny FMI

Hanohana sy hanampy ny firenena malagasy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary. Vonona hanatanteraka ny fandaharanasan’ ny FMI i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitohy hatrany ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny delegasionina malagasy mandritra ny fihaonamben’ny lohataona any Washin­gthon DC. Voaresaka manokana ny momba ny […]

Aretina vokatry ny loto: mirongatra ny lagaly, mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana

Nahitam-piakarany ny tahan’ny olo­na voan’ny aretina lagaly tao ana­tin’ny roa tao­na izay, raha ny zava-misy eny anivon’ny toeram-pitsaboana nanaovana fanadihadiana. Mampalahelo fa heverin’ny ankamaroan’ny olona fa aretin-koditra vo­katry ny tsy fahazakana sakafo na aretin’aty izy io. Nahitana fitomboana ny trangan’aretina lagaly amin’izao fotoana izao. Taloha nahalana be ny fahitana olona […]