Taratra

Fiahiana fahasalamana : nanao hetsika ny Mii’zara

Nanao hetsika maimaimpoana ho an’ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny amin’ny EPP Ambohimarina ny fikambanana Mii’zara, omaly. Notan­terahina teny amin’ny CSB II, Ambatolampy Tsimahafotsy izany hetsika ara-pahasalamana izany. Nambaran’ny filoha mitarika ny Mii’zara, Rarivo Fafah, fa natao izao hanampiana ny mponina eo amin’ny lafiny fahasalamana manoloana ireo aretina […]

famongorana dahalo : miara-miasa ny zandary sy ny fokonolona

Resy lahatra ary naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana ny fokonolona ao amin’ny fokontany Androhiavy, koaminina Analalava, faritra Sofia, omaly. Hisorohana ny asan-dahalo ao an-toerana, namory vahoaka avy ao amin’ny fokontany miisa telo ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Sofia, ny Kly Randriamidona Lys Odon. Niara-nientana taminy ny ben’ny Tanàna sy ny […]

“Run and Bike” andiany fahefatra : 400 latsaka kely ny isan’ny mpandray anjara

Tontosa omaly, tetsy Ambohibe, ny hetsika “Run and Bike”, andiany fahefatra nokarakarain’ny fikambanana TAO. Tanjona ny hanentanana sy hiadiana amin’ny fanaovana herisetra mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona. 400 latsaka kely teo ny isan’ny mpandray an­jara tamin’ity hetsika « Run and Bike », andiany fahefatra. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ara-panatanjahantena, nahitana hazakazaka […]

Judo- Tompondakan’i Afrika : Olana ny fampiantranoana sy ny saram-pandraisana anjara ho an’ny Malagasy

Hiainga anio amin’ny 1 ora atoandro, etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ho any Egypte, ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo. « Mbola olana ho anay ny resaka fampiantranoana « hébergement » ireo mpilalao, indrindra ny saram-pandraisana anjara “droit d’en­gagement” », hoy i Said Bruno Eric, filohan’ny Federa­siona malagasin’ny […]

Baolina kitra : hanangana tranombakoka ho an’ity taranja ity ny JMA

Mikasa hametraka tranombakoka ho an’ny baolina kitra malagasy ny Jeunes malagasy ambitieux (JMA). Namba­ran’i Kantoharimanana Ro­meo, filohany, fa nanosika azy ireo hanao izany ny fitiavana ny fanatanjahantena. Tanjo­na, hapetraka amin’ny toerana iray, ho hita sy ho fantatr’ireo taranaka, ny tantaran’ireo ka­laza nitondra avo ny lazan’ny baolina kitra sy ny tantarany. […]