Taratra

Antanimena : norahonan’ ilay jiolahy ny polisy nisambotra azy

Fahasahiana tsotra izao ! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ity jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana mi­haro herisetra tratra teny Antanimena omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny polisy mo­nisipaly sy ny polisim-pirenena no nahafahana nisambotra azy ity, raha ny fanazavan’ny polisy. Efa narahan’ny polisy avy aoriana ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny izy rehefa tonga […]

Raharaha Bruelle : ahin’ny fianakaviany ho nisy kolikoly ny famotorana

Maro ny raharaha mafana ao amin’ny faritr’i Toamasina ka mahatonga resabe, anjakan’ny kolikoly any an-toerana. Manahy amin’ny fisian’ny kolikoly sy ny sisi-bola ny havan’ny maty. Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, i Bruelle, 17 taona. Voarohirohy tamin’ny tranga nahafaty ny sa­kaizany antsoina hoe Julie, 17 taona, izy. Tonga naka an’i Julie tany […]

Rugby – « 6 Nations » : maratra i Woki, mpilalao frantsay

Tsy afaka manao ny fifaninanana “6 Nations” i Came­ron Woki, mpilalao frantsay. Dimy andro mialohan’ny fampivondronan’ny ekipa frantsay, nahazo vaovao i Fa­bien Galthié, mpanazatra ny XV de France fa maratra i Woki. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, haharitra fito herinandro vao ho sitrana ny lehilahy. Raha hiverenana […]

Barea Chan : tafatafa nataon’ireo mpamono baolina

Rakoul, mpilalao namono baolina voalohany ho an’ny Barea Chan : “Faly ny tenako satria anisan’ireo mpilalao namono baolina voalohany, tamin’ny fandraisan’anjaran’ny Barea voalohany tamin’ny Chan 2023. Tombony ho anay teo ambony kianja ny fifankatiavana sy ny firaisankina. Tanteraka koa ny nofinay, naharesy izahay. Faly ny tenako mandray anjara amin’ny Chan, efa […]