Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Soanala Ambatobe ireo 30 mianadahy, hanaraka fiofanana any amin’ ny Foibem-pirenena fampiofanana ho teknisianin’ny ala (CNFTF) Angavokely Manjakandriana. Haharitra 18 volana ny fiofanana harahin’ireo ho teknisianin’ny ala, ary hanampy isa ny mpianala any anivon’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd). Nilaza […]
Taratra
USAID-Pnud : hatsaraina ny fahaiza-manaon’ny fadintseranana
Misongadina ny fivoaran’ny fadintseranana malagasy tato anatin’ny taona vitsy. Na izany aza, misy ny fanatsarana tokony hatao, mahatonga ny USAID sy ny Pnud hanohana ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Miara-miasa amin’ny fadintseranana malagasy ny governemanta Amerikana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) sy ny Fandaharanasan’ny Firenena […]
Vovonana Firaisankina : “Mila mailo isika ivelan’ny fitondrana”
Nitondra ny heviny amin’izao volana vitsy mialoha ny fifidianana depiote izao ny eo anivon’ny Vovonana Firaisankina, amin’ny alalan’ny mpitarika ny HVM, Rakotovao Rivo. “Efa hita taratra sahady ny fiandaniana samihafa ataon’ ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony. Tsy maintsy mailo isika antoko ivelan’ny fitondrana fa efa manao ny ataony ry zareo mpitondra”, hoy […]
Jly Deramasinjaka Manantsoa : nanome toromarika ny miaramila
Nampivory ny miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika (EMA), ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, nandritra ny fitsidihan’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny fandriampahalemana tany amin’ny faritra Bongolava, ny alatsinainy teo. Tao amin’ny «Bataillon d’infanterie» Tsiroanomandidy, eo ambany fibaikoan’ny Kly Mahatombo Deboyer no nanatanterahana izany. Hentitra ny EMA amin’ny […]
DGSR – Jly Reribake Jeannot : hapetraka ny ivontoerana fitsarana fiarakodia mpiandry raharaha
Tontosa omaly, teny amin’ny foibe toeran’ny fitsarana fiarakodia Alarobia, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), ny tale jeneraly teo aloha, ny Jly Kassimo Arona Besony, sy ny tale jeneraly voatendry hisolo toerana, ny Jly Reribake Jeannot. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly ka hotohizana ireo ezaka efa […]




