Taratra

Fiainam-bahoaka

Famatsian-jiro sy rano, fidangan’ny vidim-piainana, fandriampahalemana…. Ireo no anisan’ny notakiana teny an-dalambe nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavao­zana izao. Mby aiza? Eo koa ny famoronana asa, ny amin’ny fitsinjaram-pahefana, ny fanamboaran-dalana… Amin’ izany rehetra izany, manginy fotsiny ny fitakiana saika isan-tsehatra tetsy sy teroa: fampianarana, fahasalamana, fambolena… Marolafy, maika avokoa, zava-dehibe… Ekena, […]

Mpanolotsaina avon’ny HCC : Nametra-pialana ny solontenan’ny Antenimierampirenena

Nametra-pialana eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny mpanolotsaina avo roa solontenan’ny Antenimierampirenena: i Nandrasana Georges Merlin sy i Noelson William. Araka ny loharanom-baovao voaray, nanamafy izany ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tamin’ ny fitsidihany ny filohan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza. Fantatra fa tamin’ny 15 jona lasa teo no […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja ao amin’ny fonjan’i Nosy Be Hell-Ville, afakomaly, ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy vao 4 taona. Tranga niseho tany amin’ny fokontany Ambodivoanio, Kaominina Nosy Be Hell-Ville, ny 10 jona 2026 lasa teo. Niaiky ny heloka nataony izy nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy. Hita nibahana vavahadin’olona […]

Tsy tazana nandritra ny herinandro: Renim-pianakaviana hita faty tao an-tranony

Hita faty tao an-trano fonenany tany Antanjona, disitri­kan’i Fandriana, afakomaly, ny renim-pianakaviana manodidina ny 65 taona. Tsy hitan’ny mponina teny amin’ny ma­nodidina nivoaboaka ny trano intsony ity ramatoa ity efa ho herinandro izay, raha ny fanazavana voaray. Zafikeliny iray nirahina haka zavatra tao an-tranon’ity ramatoa ity no nahita ny faty […]

Taksiborosy nivadika : Mpandeha iray tsy nahatsiaro tena

Tsy nahatsiaro tena ny mpandeha iray, 70 taona, tao anatin’ny taksiborosy nivadika, teo avaratr’Ilempona, Antanifotsy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Niala avy any Antsirabe io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’Anta­nanarivo, araka ny angom-baovao. Tra-doza tampoka anefa tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nivadika ny fiara sady nivoaka ny lalana. […]