Taratra

QMM: havadika ho entona ny rano avy nampiasaina

Mitohy ny fanatsaran’ny orinasa QMM ny fitantanana ny rano avy nampiasainy amin’ny asa fitrandrahany any Taolagnaro. Misy ny tetikasa andrana, hananganana dobo manokana, hanadiovana ny rano avy nampiasaina amin’ny fitrandrahana. Haharitra enim-bolana ity tetikasa andrana ity, mamaly ny fepetra ara-dalàna napetraky ny Antokon-draharaha nasionaly  misahana ny rano (Andea), tsy hiantraika […]

4X4 nivadika teny amin’ny RN44: Profesora sy ny ramatoa vadiny namoy ny ainy

Loza nahatsiravina! Indray namoy ny ainy ny Profesora iray sy ny vadiny, niharan’ny fivadihan’ny fiara tampoka teny amin’ny lalam-pirenena faha-44, teo Andranokobaka-Andilanatoby, Ambatondrazaka, omaly. Tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka, fiara tsy mataho-dalana  iray marika “Rexton” no nivoaka ny  arabe ary nifatratra tany anaty kirihitra. Nikasa hihazo an’ Ambatondrazaka, hamonjy […]

Vahaolana ifotony

Avy any ambony ny ohatra fakan-tahaka? Any ifotony kosa ny olana mila vahana, indrindra amin’izao fahasahiranana diavina sy iainan’ny firenena izao: fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana… Lazaina mandrakariva fa tsy azo ihodivirana izao krizy eran-tany  izao noho ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia. Tsy fantatra be ihany izay mety […]

Nosakanan’ny Emmo/Reg ny hetsiky ny Tim any Antsiranana

Tsy afa-bela isaky ny hihetsika. Tsy tanteraka indray ny fivoriana, nokasain’ny antoko Tim  hotanterahina tao Antsiranana, omaly. Tahaka ny efa nanakanana ny tetsy amin’ny Magro Behoririka. Miatrana avokoa ny Emmo/Reg amin’ireo toerana ireo. Nahitana mpitandro filaminana avokoa ireo lalana mihazo ity toerana any Antsiranana ity. Tsy nahazoana alalana io hetsika […]

Afrobasket U18 – Manasa-dalana: Nanao pay-droa, samy tafakatra ny Ankoay lahy sy vavy

Samy nahazo ny tapakila amin’ny dingana manasa-dalana avokoa ny Ankoay zazalahy sy zazavavy eo amin’ny fifaninanana Afrobasket, sokaky latsaky ny 18 taona. Na izany aza, miandry azy ireo ny andrarezina afrikanina eo amin’ity taranja ity. Fahombiazana tanteraka ho an’i Madagasikara! Samy tafakatra amin’ny dingana manasa-dalana ny Ankoay zazalahy sy zazavavy. […]