Taratra

Krismasy: olona 65 voasambotry ny polisy

Tsy afa-misaraka amin’ny fety toy izao hatrany ny resaka tsy fandriampahalemana. Manoloana izany, manao izay ho afany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana mba hahafahan’ny vahoaka manao fety am-pilaminana lavitry ny tebiteby amin’ny asan-jiolahy. Nivoaka tao anatin’ny tatitra nomen’ny teo anivon’ny polisim-pirenena nandritra ny fetin’ny Krismasy 2023 fa 2 000 eo […]

Itasy: fifanomezan-tanana ho an’ny fandriampahalemana

Nahazo moto telo avy amin’ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy, Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa, ireo miaramila miasa ao amin’ny faritra. Ho fiaraha-mientana amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ao an-toerana no anton’izao fanomezana moto hiadiana amin’ny asan-dahalo izao, raha ny fanazavan’ity solombavambahoaka ity. Hampiasain’ireo miaramila manefa iraka eny an-kianja ireto […]

Kitra – Fifaninanam-pirenena 2024: hanatevina ny «Pro league» ny KFCA sy ny FC Vakina

Ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra D1, ny CFEM, amin’izao fotoana izao. Ho anisan’ireo hanatevina ireo ekipa hiady izany anaram-boninahitra izany ny KFCA Diana sy ny FC Vakinankaratra. Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de foot-ball élite de Madagascar, ny zoma 22 desambra lasa teo, […]

Sombim-baovao

Nifindra ao amin’ny klioban’ny Inter Miami FC, any Etats-Unis, i Luis Suarez, Orogoay mpilalao baolina kitra. Araka izany, miisa efatra izy ireo no mpilalaon’ny FC Barcelone, klioba espaniola nifindra ao amin’ity ekipa amerikanina ity. Hiverina hiaraka hilalao indray izany i Messi, i Suarez, i Sergio Busquet ary i Jordi Alba. […]

 “Grand Open ABMI”: miisa 149 ireo ekipa nandray anjara

Notanterahina teny amin’ny Boulodrome Para Ivato, ny alahady lasa teo, ny fifaninanana “Grand Open ABMI”, taranja tsipy kanetibe. Nahatratra 149 ny isan’ireo ekipa nandray anjara tamin’izany. Nataon’ny Club amical bouliste Mandrosoa Ivato (ABMI) ho fahatsiarovana an’itompokolahy jeneraly Rarivomanana Tahiry, ity fifanintsanana ity, ary mba ho fanomezana sehatra ireo olona rehetra […]