Taratra

Can 2024: voatendry hitsara lalao i Dimbiniaina

Navoakan’ny vaomieran’ny mpitsara baolina eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), omaly talata, ny anaran’ireo mpitsara hitantana ny lalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena “Can 2024”. Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire, manomboka ny 13 janoary ho avy izao. Anisan’ireo manana solontena amin’izany ny Malagasy na tsy mandray anjara […]

Orange solidarité: nizara fanomezana ho an’ny ankizy marary 1 000

Mbola tafiditra amin’ny hetsika firaisan-kinan’ny orange solidarité, rehefa volana desambra, ny fizarana fanomezana ho an’ny ankizy tsy salama, nandritra ny fanamarihana ny fetin’ny Krismasy, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny 21 desambra lasa teo, mpiasan’ny orange manome tanana anatin’ny fikambanana Orange solidarité 100 no nitety ireo sampam-pitsaboana ankizy amin’ny hopitaly […]

Fitantanana ny loza – faritra Atsinanana: nampahafantarina ireo mpiantsehatra 

Tontosa ny atrikasa fanavaozana ny drafitra hiatrehana ny hamehana ho an’ny rivodoza sy ny tondradrano tany amin’ny faritra Atsinanana, niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka CRS sy PAM. Tanjona ny hampihena ny tahan’ireo traboina anatin’ny faritra sy ny fahafehezana ny tranga mety hiseho, indrindra amin’ny fanomanana mialoha, mandritra ary aorian’ny fahatongavan’ny loza. Nanatontosa […]

Indray mijery

Hitoetra amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, amin’ny ankapobeny, ny oram-baratra ary hiitatra saika manerana ny Nosy izany, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Hisy fidinana ny maripana farany ambony ho an’ny afovoantany sy any atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro. Anisan’ny mety hahatonga fahapoizinana ara-tsakafo ny menaka. Hisorohana izany, tsy azo ampiasaina […]

Miseho amin’ny endrika samihafa: ny kolikoly madinika no tena manjaka sy manakorontana

Miseho amin’ny endriny maro ny trangana kolikoly. Ny kolikoly madinika miseho andavanandro no tena betsaka sy manakorontana ny fiarahamonina. Fampiasana vola na fananana hividianana ny rariny na hanaovana tsindrihazolena ho an’ny mpiara-monina no antsoina hoe kolikoly. Io no namaritan’i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara, ny atao hoe kolikoly. Misy ny kolikoly manome […]