Taratra

Taratry ny kanto

Ny 9 sy 10 ary 11 marsa 2024 izao no hankalazana ny Taom-baovao malagasy. Ho an’io taona mitsidika io, anisan’ny zava-dehibe sy manana ny lanjany ny fahafahan’ny tsirairay mankalaza izany isan-tokantrano, na faritra na toerana. Tsy vitsy rahateo ireo efa mahalala ny fomba tokony hotanterahina amin’izany : harendrina, afo tsy maty, […]

Finoana sy fahalalana: resy eto amin’ny taniny ny Malagasy

Desambra, volana farany amin’ny taona iray, ho an’ny fanisana andro gregorianina. Volana mampivandravandra ihany koa fa takona manoloana ny an’ny hafa ny finoana sy ny fahalalan’ny Malagasy. 25 desambra, nahaterahan’i Kristy. 31 desambra faran’ny taona ho any amin’ny taona vaovao manaraka indray. Ny fanisana andro gregorianina no nametraka ireo fa […]

« Chansons sans frontières »: tombony ho an’ny maniry ho matihanina eo amin’ny mozika

Fifaninanana karakarain’ny fikambanana fusaca, miaraka amin’ny Organisation international française (OIF), ho an’ny mpahay kanto mihira, amin’ny tany rehetra mampiasa ny teny frantsay ny « Concours international d’écriture. Chansons sans frontières ». Miditra amin’ny andiany faha-18 ny fifaninanana amin’io taona 2024 io, ary lohahevitra amin’izany ny hoe « Escalader le ciel ». Tanjon’ny fifaninanana ny […]

Cité International des Arts: mifarana ny fikarohan’i Ashiko Ratovo

Fahombiazana no azo ilazana ny fampirantiana « Sans abri », nataon’i Ashiko Ratovo na Ratovohery Toavina tao amin’ny Fondation H tao Paris, Frantsa, ny 13 hatramin’ny 22 desambra 2023. Raha tsiahivina, fampiharana ny niofanany sy ny voka-pikarohany iny naranty iny. Ankoatra ireo Malagasy any an-toerana, maro ny vahiny tonga nitsidika sy liana […]

Fiovan’ny toetr’andro: laharana fahefatra farany marefo i Madagasikara

Laharana fahefatra alohan’ny farany amin’ny faharefoana amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Nisehoan’ny fiovan’ny toetr’andro voalohany indrindra tany amin’ny faritra Atsimo, tamin’ny taona 1950. Niitatra tany amin’ny faritra Avaratra izany, tamin’ny taona 1970, araka ny tatitra navoakan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro (DGM) tamin’ny taona 2008. Mandrora miantsilany ny olombelona satria manimba […]