Taratra

MFM: “Tsy misy ny fiatoana politika” 

“Efa mahazatra isan-taona ny an’ny MFM, satria ny 27 desambra no fankalazana ny nijoroany”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, ny amin’ny tsingerin-taona nijoroan’ny MFM anio, 27 desambra 1972.  Tsy hisian’ny fiatoana politika ao anatin’ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao izany, fa misy zavatra […]

Fantina sy fintina

Nampita hafatra noho ny fetin’ny Noely ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Nambarany fa ilaina ny fanetren-tena ary mametraka ny fiainan’ny firenena. “Fandaminana avy amin’ny Tompo ny zava-miseho ary aza matahotra. Aoka hanaiky ny sedra“, hoy izy. Vonona hiatrika ireo fifidianana rehetra ho avy ny antoko Tsara Tahafina, tarihin’i Paraina Auguste. […]

Minisiteran’ny Fitsarana: nohamafisina ny filaminana eny anivon’ny fonja

Namory ireo tomponandraikitra ambony rehetra eo amin’ny fitantanana ny fonja ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny herinandro teo. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izany. Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny fanamafisana ny filaminana anatin’ny fonja. Tafiditra indrindra ho amin’ny fitsinjovana ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny izany. “Tsy azo ekena […]

Miova andriana !

Miova sata, miova andriana…sa miova andriana ka manova sata? Samy mety hilazana ny zava-misy momba ny tontolo politika eto amin’ny firenena ireo. Iza tokoa no tsy sasa-miandry izay ho firafitry ny governemanta vaovao ho avy eo? Izay tsy misy mipika hatramin’izao ny ho mpikambana ao anatiny. Ny governemanta izay nametra-pialana […]

Tselatra

Lehilahy nanolan-jaza matin’ny fitsaram-bahoaka tao Maroantsetra, ny faran’ny herinandro teo. Zazavavy enin-taona nanamparany ny filan-dratsiny. Nenjehin’ny fokonolona tao an-tranony ilay nahavanon-doza saingy tafaporitsaka. Tratra ity farany ary maty rehefa niharan’ny fitsaram-bahoaka. Notsaboina ilay zazavavy nihosin-dra. Lehilahy iray mpamboly rongony nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Ivohibe, fokontany  Antanimandeha, kaominina  Miantsoarivo,  distrikan’Arivonimamo, ny […]