Taratra

Ambohidratrimo : manampy ny mponina ny fikambanana Zam

Mitohy ny fitsinjovan’ny fikambanana Zanak’Ambohi­dratrimo Marovatana (Zam) ny mponina. Nanolotra fampitaovana ny fianakaviana sahirana izy ireo, notarihin’ny filohany, Rabary Hery, ny faran’ny he­rinandro teo, teny amin’ny fokontany Atsimomparihy. Anisan’ny nisitraka izany Rtoa Rasoa, mpanasa lamba, izay nitsotra fa ahafahany mampitombo ny fidiram-bolany, ny fanampiana toy izao. Taorian’ izany, nanao fanadiovana […]

VAOVAO TAMBATRA

Nanomboka ny 23 novambra teo ny fanamboarana ny lalana Faravohitra sy Ambohiborona. Any anatin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ity toerana ity. Mirefy 33 km ity lalana ity, ka anisan’ny hatao ny any Ampakandrano sy Ambatofotsikely. Hamafisina koa ny vahilava. Natao teny amin’ny toerana Au Bois Vert eny Ivato, ny 24 […]

Ambolokandrina : mpanendaka roa lahy voasambotra

Tratran’ny mpitandro filaminana avy amin’ny CSP2, tetsy Ambolokandrina, ny jiolahy roa, ny zoma 24 novambra teo. Polisy teny an-kianja no nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa an’ireo mpanendaka roa lahy ireo. Efa nanambana olon-tsotra sy nanery ity farany hamoaka ny zava-tsarobidy teny aminy izy mirahalahy. Raikitra ny fisamborana ka niezaka nandositra ireo […]