Mitety ireo toeram-piantsonan’ny taksiborosy ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), mamendraka fanafody mamono mikraoba sy bibikely. Rarahana ranom-panafody ny toerana sy ny fiara fitateram-bahoaka miainga eny amin’ny tobim-piantsonana hisorohana ny karazana valanaretina. Nosantarina teny Ampasampito sy ny toby Maki Andohatapenaka izany. Vanim-potoana fiakaran’ireo karazana voankazo maro samihafa (manga, litchis, […]
Taratra
Oniversiten’Antananarivo : hiverina hampianatra ny mpampianatra
Tonga amin’ny vahaolana iraisana ny sehatry ny anjerimanontolo. Hiverina amin’ny fampianarana ny mpampianatra vonona ho amin’izany. Nifanakalo hevitra tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, ny Collectif des Professeurs, ny Seces Sampana Antananarivo ary ny Collège des Enseignants, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny […]
Tenisy – Mada 2023: hanomboka anio ny fifaninanana
Hotanterahina anio, eny amin’ny Club olympique de Tananarive (COT) Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Marihina fa hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary sy loka maro avy amin’ny mpanohana ireo tompondaka amin’izany, araka ny vaovao nampitain’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Tenisy (FMT). Raha ny fandaharana navoakan’ny FMT tao […]
Rugby Club Tanora Soavimasoandro : hivelatra amin’ny taranja hafa
Toy ny fanaony isan-taona, notanterahina ny sabotsy 25 novambra lasa teo, teny amin’ ny kianja Imamba, ny Andron’ ny mpiara-miombona antoka amin’ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Nambaran’Andrianarisoa Avotra Tokiniana, filohan’ny ekipa, fa tanjona manaraka ny fisokafana amin’ny taranja hafa eo amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora. Hanombohana izany, ny tenisy, […]
«Orange Challenge U-17»: Tompondaka ny AS Jet Mada
Nifarana omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny fifaninanana baolina kitra, “Orange challenge U17”. Norombahan’ny klioban’ny AS Jet Mada ny amboaran’ity fifaninanana ity, rehefa nandavo ny AS Etoile Filante, tamin’ny fandakana “tirs au but”, 4 no ho 3 izy ireo. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta […]




