Taratra

Hetsika maneran-tany : 16 andro hiadiana amin’ny herisetra amin’ny vehivavy

Nankalazaina ny sabotsy teo ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Nanombohan’ ny 16 andro natokana hanaovana hetsika mahakasika izany. Izay haharitra hatramin’ ny 10 desambra izao. Anisan’ ny mankalaza izany i Mada­gasikara. “Resentsika miaraka ny herisetra” no lohahevitra mandritra izany. Mba ho firo­tsahana sy fitondrana feo ma­nohitra ny […]

Olana amin’ny fifidianana : ny HCC no mandray ny fitarainana…

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa anjaran’izy ireo ny ma­moaka ny voka-pifidianana vonjimaika, araka ny voalazan’ny lalàna. Anjaran’ny HCC samirery kosa ny fanambarana ny voka-pifidianana ofisialy. “Tahaka izany koa ny fikirakirana ireo fitarainana sy ny fifanolanana samihafa. Rafitra mahefa tendren’ny lalàna hany afaka misahana izany ny HCC”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy manaiky korontana intsony ny vahoaka”

Naneho ny heviny avy hatrany, taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika ny sabotsy teo, ny kandidà Andry Rajoelina. Nambarany fa manam-pahendrena ny vahoaka. “Ankehitriny, tsapa fa manana fahendrena ny vahoaka malagasy, indrindra tsy manaiky ko­rontana na korontanina intsony”, hoy ny kandidà lah. 3, Andry Rajoelina, taorian’ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana […]

INDRAY MIJERY

Fanentanana ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony, ny tokony hitandremana fatratra ataon’ireo reny mitondra vohoka amin’ny valanaretina tazomoka. Ankoatra ny fatoriana anaty lay misy odimoka, misy ihany koa ny fanaovana TPI. Fanafody tazomoka atelina mandritra ny fisafoana izy io. Na dia tsy eo amin’ny toerana maha governora intsony aza ny tenako […]

Fahasalamana : fantaro ireo fisehoan’ny gripa

Manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina gripa, nitondra fampahafantarana ireo fisehoan’ny aretina ny minisiteran’ny Fahasalamana, anatin’ny tambajotran-tseraserany. Aretina avy amin’ny viriosy ny gripa ary haingam-pifindra amin’ny alalan’ny piti-drora sy ny evona. Mety hararirary ny tenda rehefa mitelin-drora, tsentsintsentsina ny orona, maimaina ary misy manitikitika ny lalan-drivotra. Miitatra amin’ny koha-maina avy eo na […]