Hatramin’izay, itaizan’ny sasany saina mandrakariva ny hoe fisian’ny krizy politika aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy mbola tafavoaka ny ala amin’izao? Tsy fahendrena ny mibitaka ambony ihany. Ny mahery tsy maody tsy ela velona. Tsy ilaozan’izay tsy maty voalavo an-kibo? Na mila lamina… Na inona na inona […]
Taratra
Voka-pifidianana vonjimaika : voafidy amin’ny vato 58,95% ny kandidà Andry Rajoelina
Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika, ny sabotsy teo, ny eo anivon’ny Ceni. Nibata ny fandresena tamin’izany ny kandidà Andry Rajoelina. Mahatratra 2 856 090 ny vato azon’ny kandidà lah. 3, Andry Rajoelina, manome ny taha 58,95%, araka ny voka-pifidianana filohan’ny Repoblika navoakan’ny Ceni, teny Alarobia, afakomaly. Manaraka, ny kandidà lah. 13, […]
TSELATRA
Tovolahy iray naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ny namany azy teny Volosarika Ambanidia, omaly. Resaka hasarotam-piaro no nitarika ny ady satria efa nandrasan’ireo namany teo amin’ny elakelatrano mihazo ny tanànany ka niharan’ny vono sy daroka izy. Voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana izy noho ny ratra teo amin’ny lohany. Naratra voahitsaky ny […]
Rn-2 – Toamasina : vehivavy iray matin’ny lozam-piarakodia
Azo lazaina ho nilamina amin’ny ankapobeny ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena (RN-2 sy RN-5) mihazo ny faritra Analanjirofo ary ny ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao anatin’ny herinandro nikirakirana ny fitaterana sy fanondranana vokatra letisia. Na teo aza izany, nisy ihany ny indrokely tamin’ireo mpampiasa ny RN-2 tamin’ny fitaterana letisia […]
Variana nampiaraka : mpifankatia nendahin’ ny jiolahy
Lasan’ny jiolahy ny kitapon’ny tovolahy sy ny poketran’ny tovovavy iray sakaizany variana nampiaraka teo amin’ny seza fiandrasana taxi-be eo Ampefiloha, ny sabotsy hariva teo. Voalazan’ireo mpitondra taxi-moto nahita azy roa ireo fa somary efa ela ihany izy ireo no nipetraka teo amin’ny seza. Mihevitra ireo mpitondra moto fa miandry taxi-be […]




