Notanterahina ny sabotsy maraina lasa teo, tetsy amin’ny Tranomboky monosipaly Analakely, ny fifaninanana hetsika “Slumourap freestyle”. Nanomezana sehatra ireo ankizy manan-talenta amin’ny fanaovana “Rap”. Anton’ny hetsika, ny fahatsapan’ny mpikarakara fa maro ny ankizy sy tanora manana talenta saingy tsy mahalala ny lalana tokony halehany sy sehatra ahafahany maneho izany. Niaraha-niasa […]
Taratra
Ninie Donia : nodimandry ny mpanjakavavin’ny Salegy
Misaona ny tontolon’ny haikanto malagasy. Nodimandry, noho ny aretina maro samihafa nahazo azy, i Ninie Donia. Ny gadona Salegy no tena nampalaza azy, ary maro ireo hirany nankafizin’ny Malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana omaly, teny amin’ny manodidina an’Andrafiabe, i Bezara Eliane Virginie, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ninie Donia. Raha tsiahivina, […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mbola nisy taham-pahavitrihana ambany tahaka izao, araka ny tatitry ny mpanara-maso ny fifidianana, Safidy. Voalohany tamin’ny tantaran’ny fifidianana koa no nisy fanemorana herinandro. Na izany aza, tsy nisy tranga nanahirana fa teo kosa ny tsy fahatomombanana madinidinika. Hivoaka ny 30 novambra izao ny voka-pifidianana ofisialy, araka ny fanambarana navoakan’ny […]
SADC, COMESA, OIF: « Nizotra am-pilaminana ny fifidianana … »
Tontosa ny sabotsy 18 novambra 2023, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fanambarana niombonan’ny SADC sy ny COMESA ary ny OIF, mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany. Nambaran’izy ireo fa nizotra tamim-pilaminana ny fifidianana teto Madagasikara. Notsindrin’izy ireo fa mbola manaraka akaiky ny fandehan’ny zotram-pifidianana izy ireo, ankehitriny, ka miandry fatratra […]
Lesoka… lesona
Vita iny ny fifidianana. Mbola ifikiran’ny sasany amin’izao ny hoe krizy na korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Misy ny saina efa vonto sy donto amin’izany, miandry kendry tohina fotsiny. Tsy maka lesona amin’izay lesoka? Amin’izao, mandeha avokoa ny karazana famakafakana hanamarinan-tena fa marina sy mety izay nolazaina, […]




