Taratra

Sombim-baovao

Tsy afa-niatrika ny lalao, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, omaly, ny 3FB. Fihaonana tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja baolina rugby, sokajy vehivavy. Araka izany, lalao telo ihany no natao teny an-toerana. Marihina fa ny RCTS Soavimasoandro no saika nifanandrina tamin’izy ireo, nandritra io fifanintsanana io. Ratsy fanombohana […]

“Orange challenge U17”.: hanao ny famaranana ny AS Jet Mada sy ny AS Etoile Filante

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, “Orange challenge U17”. Tafita amin’ny famaranana, izay hatao ny alahady ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny ekipan’ny AS Jet Mada sy ny AS Etoile Filante. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, lavon’ny AS Jet Mada tamin’ny fandakana “tirs au […]

Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2026»: Vonona handresy ny Les Sao, Tchad ny Barean’i Madagasikara

Ho tanterahina anio any Maroc lalao, hihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Les Sao-n’i Tchad. Tafiditra amin’ny fiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026» izany. Hitohy anio alatsinainy ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026 », taranja baolina kitra, ho an’ny faritr’i Afrika. Anisan’ny hiatrika izany ny Barea de Madagascar, milalao ao amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Namoaka amboara sy rakipeon-tononkalo i Niri­haja, Malagasy poeta ny sabotsy teo, tetsy amin’ Ivokolo Analakely. Nankalazaina tamin’ny seho teatraly sy “comedie musicale” izany. Niara­hany tamin’ ny vondrona Volivolana, tropin’andriambavilanitra 5. Fanamby noketrehina nandritra ny enim-bolana, niaraha-niasa tamin’ny olona sy mpanakanto maro. Taona 2023, mbola maro ny Malagasy no mihevitra fa: […]

Bar à livres (Saison-1): « Mila manana haitsena… », hoy i Hobiana

Ny sabotsy 18 novambra teo. Tao amin’ny Lycée Rabe­a­rivelo etsy Analakely. Nitohy teny amin’ny E.P.P Mahama­sina Atsinanana. Nofaranana tamin’ny « Bar à livres », teny Bemasoandro Itaosy. Fihao­nan’ny mpianatra tamin’ireo poeta sy mpanoratra manana sanganasa tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana. Samy naneho ny heviny ka namaly ny fanontaniana « Mbola ho avotra ve ny […]