Taratra

Voka-pifidianana vonjimaika : miakatra hatrany ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy

Mitohy ny famoahan’ny Ceni ny fironan’ny voka-pifidianana, filoham-pirenena. Manomboka miakatra hatrany koa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Efa mihoatra ny 42% izany ny fahavitrihan’ny olom-pirenena nifidy, raha ny vokatra azo avy amin’ny biraom-pifidianana miisa 8 600 amin’ny 27 375. Izany hoe, naharaisana vokatra izany ny 31,42%. Miisa 3 920 857 ireo mpifidy […]

Fanafihana teny Talatamaty : nohidina tanaty gabone ny tompon-trano

Nisy nanafika ny fianakaviana iray monina eny Ambo­rompotsy Talatamaty, omaly maraina. Lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny volabe miten­tina 6 000 000 Ar sy ny fira­vaka maromaro, ary finday. Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina no nitrangan’izany, saingy efa ora roa taty aoriana vao nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana, izay tsy lavitra eo. […]

TSELATRA

Mpitondra moto iray naratra vokatry ny fifandonana tamina fiara tetsy By-pass, omaly. Nipoitra tampoka nanapaka ny lalan’io kodiaran-droa io ilay fiara. Nitsambikina niala izany ilay mpitondra moto. Nandamina ny raharaha ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Zaza menavava hitan’ny fokonolona nisy nanary tetsy Androndrakely, boriborintany faharoa, afakomaly. Nihohoka tamin’ny tany ary […]

Tratran’ny vela-pandrika : zandary roa maratra, jiolahy maty voatifitra 

Zandary roa naratra, vokatry ny fianjerana tamin’ny moto teny Anjanadoria, Ambohidratrimo. Tafiditra tamin’ny fandrika nataon’ny jiolahy izy ireo. Iray tamin’ireto farany kosa maty voatifitra. Naratra vokatry ny fianjerana tamin’ny moto ny kaomandin’ny brigadin’ Ambohidratrimo sy ny mpiara-miasa aminy iray, afakomaly maraina. Tafiditra tanatin’ny vela-pandrika nataon’ny jiolahy mpaka an-keriny izy ireo, […]

Volley – Ligin’Analamanga : hotohanan’ny Airtel ara-bola sy ara-pitaovana

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, ny 25 novambra izao, ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Analamanga, Volley-ball. Ho fanombohana izany, vaovao tsara avy hatrany no hisan­taran’ny ligy ny taona satria nahazo mpanohana izy ireo. Notanterahina omaly, tetsy Alarobia, foiben-toeran’ny Airtel Madagascar, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagascar sy ny ligin’Analamanga, taranja Volley-ball, […]