Taratra

Minisitra Dr. Ramiarison : Laharam-pahamehana ny fitoniana ara-toekarena

Anisan’ireo nitondra fanazavana momba ny fepetra sy ny laharam-pahamehan’ny go­­vernemanta, nanoloana ny solombavabahoaka teny Tsim­bazaza, omaly, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Notsipihiny fa tsy maintsy hatao ny fiarovana ny fahefa-mividin’ny Ma­la­gasy sy ny fitoniana ara-toekarena. Fanampin’izany, ha­fainganina ny famoahana ireo famatsiam-bola sy ny […]

Angovo: Hamatsy solika antsika i Nizeria

Nitondra zava-baovao ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika (PRRM), ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fahatongavany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alatsinainy 8 jona teo. Nambarany fa zava-dehibe ny dia natao tany Nizeria, satria nisy ny fifanarahana, izay nankatoavin’ny fanjakana nizeriana amin’ny hamatsiana solika an’i Madagasikara. Hatao tsy ho ela ny […]

Fihariana Bambou : Nahazo famatsiam-bola 2 tapitrisa dolara avy amin’ny CIDCA

Azo hahodina ho vokatra maro samihafa ny volotsangana. Misy ny tetikasa entina hampiroboroboana ity lalam-pihariana ity. Tanjona ny hitondra fampandrosoana maitso sady hampihenana ny fahantrana. Nampahafantarina omaly, ny tetikasa hampiroboroboana ny la­lam-pihariana Volontsan­gana (Bambou). Mitentina 2 tapi­trisa dolara ny tetikasa, avy amin’ny Antokondraharaha sinoa misahana ny fiaraha-mi­asa iraisam-pirenena ho an’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Natao teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, afakomaly, ny atrikasa fanazavana sy fakan-kevitra momba ireo volavolan-dalàna hankatoavan’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena efatra. Heverina fa hitondra anjara biriky lehibe amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana sy ny fanatsarana ny tontolo ara-dalàna eto Madagasikara ireo fifanarahana ireo. “Ny fitsarana no mahalala ny momba ny […]

Fihaonan’ny depiote sy minisitra : Nifantoka tamin’ny lafiny ara-tsosialy

Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimi­erampirenena Tsimbazaza, ny fihaonan’ireo depiote sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sasany. Nita­rika izany ny filohan’ny Anteni­mierampirenena, Randrianasolo­niaiko Siteny. Niatrika ireo depiote nandritra ity fihaonana ity ny minisitry ny Fitsarana, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Fambole­na sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny Fiompiana, ny Fampiroboroboana […]