Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Antaninarenina, ny fandaharanasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tohanan’ny Partenaire mondial pour l’éducation (GPE) sy ny mpiray ombon’antoka telo dia ny AFD, Unicef ary ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Efa nosantarina ny taona 2025 ny asa ary hitohy hatramin’ny taona 2029. Ho fanavaozana ny […]
Taratra
Laboratoara Leader : Manomboka miara-miasa amin’ny mpikaroka
Efa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpianatra ny laboratoara Leader eo anivon’ny sekoly ambony ES DES, amin’izao fotoana izao. Misokatra ho an’ny rehetra fa tsy ho an’ny avy amin’ny Oniversitem-panjakana ihany. « Natao ity laboratoara ity hampitomboina ny tahan’ny manampahaizana eto Madagasikara », hoy i Manjaka Rakoto David, talen’io […]
Madagascar Natonal Park : Miha matotra hatrany ny fitantanana
Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany (1991-2026) ny Madagascar Natonal Park (MNP). Manamafy ny ezaka hitahiry ireo valanjavaboahary 49 tantaniny ny ekipa manontolo. Omaly no nisantarana ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroan’ny Madagascar Natonal Park (MNP). Nitokanana koa ny foiben-toerana etsy Ambatobe izay nanokanana fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fiasana maromaro hanampy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana ho an’ny Oniversite, «Ma-Hery Futsal», karakarain’ny Fief Mada. Hatao rahampitso kosa ny famaranana amin’ity hetsika ity. Hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy amin’izany. Ny ekipan’i Senegal indray no miandry ny ekipa malagasy Ankoay, anio alina, amin’ny […]
Tsipy kanetibe: Hanatrika «Mondial» miisa roa ny Malagasy
Nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsiazotafo, ny alakamisy teo, ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), Andrianirina Adrien. Tamin’izany no nilazany fa hiatrika fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial” miisa roa i Madagasikara, amin’ity. Voalohany, ny “senior” olon-telo miaraka, lehilahy, hotanterahina any Malaisie, ny 17 – 21 septambra ho avy izao. […]




