Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray. Lehilahy roa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Karohina kosa ny mpandeha iray, nanindrona antsy azy ireo tao anaty taksiborosy. Lehilahy mpandeha tao anaty taksiborosy nandehanany ihany no namono nahafaty ny ramatoa iray tao Talatamaty, Fianarantsoa, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 5 oktobra teo. […]
Taratra
Rugby vehivavy: manao andrana any Frantsa i Razafy Loula
Araka ny vaovao navoakan’i Azzouz Aib, tale jeneralin’ny Afrika Rugby, omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Malagasy Rugby. Hanao andrana ao amin’ny klioban’ny Joue-lès- Tours France, Razafy Loula, Malagasy vehivavy mpilalao Rugby. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby, haharitra telo volana eo ity andrana ity ary aorian’io no […]
Famoaham-baovao: hentitra ny fampahatsiahivan’ ny OJM
Namoaka fanambarana manoloana ny fanehoan-kevitra amina tambajotra sosialy mahazo vahana tato ho ato ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Nisy ny fampahatsiahivana momba izany. “Mpamoaka vaovao amina orinasa manana ny sata ara-dalàna maha orinasa fanaovan-gazety azy ny mpanao gazety na manana fanamarinana hoe “free-lance” ka mivarotra ny asa ataony amina […]
“Road to BAL” : vonona ho any amin’ny “Elites 16” ny Cospn
Hanomboka rahampitso 6 oktobra, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana voalohany, amin’ny fifanintsanan’ny “Road to BAL”, 2023, taranja basikety. Efa vonona tanteraka ny ekipan’ny Cospn. Efa ela no nanomanana ity fifaninanana hatao eto Madagasikara ity, ny ekipa malagasy, ny Cospn (Club Omnisport de la Police Nationale), araka ny nambaran’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Niditra tamin’ny ampahefa-dalana ny fifaninanana ITF taranja tenisy, omaly. Nihintsana avokoa ireo solontenan’i Madagasikara tamin’ny sokajy « simple homme » raha toa ka i Ravaka Noemie Ramanantoanina ihany no sisa tafita amin’ny manasa-dalana, amin’ity fifaninanana ity. Notontosaina omaly, tao amin’ny kianjan’i Barikadimy Toamasina, ny andro voalohan’ny « Poule des AS », D2 Nasionaly, taranja […]




