Taratra

Fitantanana ny loza : nohavaozina ny fitaovan-tserasera anatin’ny hamehana

Tontosa tamin’ity herinandro ity nandritra ny hateloana, tany Antsirabe, ny atrikasa fanavaozana ireo hafatra sy fitaovana fampitam-baovao amin’ny serasera anatin’ny vanim-potoana hamehana. Tanjona ny hanavao sy ha­melona indray ireo loharanon-kevitra fototra momba ny fifandraisana sy ny fampahafantarana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny loza. Zava-dehibe ny fanomezana vaovao marina sy ara-potoana ho […]

Hikorontana ny asa an-dranomasina: hahery ny onja mandritra ny hateloana

« Hikorontana ny fifamoivoizana sy ny asa an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andre­fana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy noho ny ha­mafin’ny rivotra. Manan-kery manomboka ny alatsinainy ma­raina ho avy izao ka hatramin’ny alarobia ity filazana ity », hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hisy fiantraikany amin’ny fahasarotan’ny […]

Fianarana asa sy satan’ny mpianatra: nivoaka ny didim-panjakana mifehy izany

Nolaniana nandritra ny fi­lankevitry ny governemanta fa­rany teo ny didy hitsivolana momba ny fifandimbiasan’ny fianarana asa, mifandraika amin’ny famoronana sy fandaminana ny fanofanana amin’ny asa mendrika ho sata maha mpianatra. Mametraka ny rafitra ara-dalàna sy manara-penitra amin’ny fametrahana ny fanofanana sy fianarana asa amin’ny satan’ny mpianatra ny didim-panjakana. Aha­fahan’ny mpianatra […]

Fahasalamana: tonga eny amin’ny CSB ny « fonds de premiers soins d’urgence »

Ho maimaimpoana manomboka izao ny fandraisana an-tanana ireo olona tra-doza tampoka tonga eny amin’ny CSB. Vonjy aina no hatao ary iantohan’ny fanjakana ny fanafody sy ny fitaovana ilaina amin’ny fameloman’aina sy ny famonjena tsy maintsy hatao. Hisitraka ny « fonds de premiers soins d’urgence » na ny fandraisana an-tanana voalohany ho an’ny […]