Mizaka ny zom-pirenena malagasy ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny fanazavan’ny filohan’ny HCC teo aloha, Rakotoarisoa Jean-Eric, teny Ankorondrano, afakomaly. Tsy maintsy misy ny didim-panjakana manala izay zom-pirenena izay ary mivoaka amin’ny Gazetim-panjakana, araka ny lalàna. Hatramin’izao, tsy mbola nisy izany. Tsy nahazo alalana hiteny amin’ny Leader Fanilo, […]
Taratra
VONDRON’ny KANDIDA : nandrangaranga ho eny amin’ny 13 mai
Tsy tanteraka ny hetsika nokasain’ny vondron’ireo kandidà hatao tetsy amin’ny Lapan’ ny Fanatanjahantena Mahamasina, omaly tamin’ny 2 ora. Nandrangaranga ny ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai izy ireo ny alatsinainy izao, raha tsy tanteraka ny fitakiany. Anisan’ny takin’ireo kandidà ny hifampiresahana ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio. Eo koa ny tsy […]
Izay be no basy !
Tsy taitra, tsy maika, kanefa tsy tara ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Mandritra ny fotoana mampisahotaka ny olon-drehetra, izy tsy andrenesam-peo. Miezaka ny mizara traikefa amin’ny tanora sy ny fandraharahana no imatimatesany. Mbola mangina tanteraka ny lehilahy raha resaka politika. Mbola miompana amin’ny toekarena sy sosialy ny fampielezan-kevitra […]
Vondrona politika Armada: manohana ny kandida n°3
Nampahafantatra ny fanohanany ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ireo antoko miisa 13 mivondrona eo anivon’ny Armada. Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ihany koa izy ireo. “Manameloka ny fitadiavana savorovoro politika na fandatsahan-dra, hamono ny firenena izahay. Tsy mendrika hiaina korontana na krizy iniana volena ny vahoaka”, hoy ny fanambarana, novakian’ny filoha nasionalin’ny AKFM Fanavaozana, […]
TSELATRA
Telo mianadahy mianaka nahatrarana vola sandoka mitentina 3 850 000 Ar tao Ambatolampy, ny alarobia 27 septambra teo. Nandritra ny famadihana tao an-toerana, nividy zava-pisotro tamin’ny vola sandoka roa alina Ar teny aminy ny vehivavy iray. Tsikaritry ny mpivarotra fa sandoka ny vola nomena azy. Niantso zandary ity farany ka nosamborina ireo […]




