Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Efa mahatratra 3 000 Ar ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpaninjara. Nilaza ny mpamboly vary any Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro, fa tamin’ity taona ity no tena lafo indrindra ny vidim-bary. Manodidina ny 500 hatramin’ny 600 Ar ny kapoaka tamin’ny taona 2022, nefa efa 800 Ar hatramin’ny 900 Ar izany izao. […]

Fiovan’ny toetr’andro: mila 2,8 miliara dolara i Afrika

Manaitra ny rehetra ny Banky iraisam-pirenena fa tena maika ny fikarohana vahaolana aty Afrika mano­loana ny fiovan’ny toetr’andro. Notateriny fa raha ny tombana nataon’ny Bad, mila vola 2,8 miliara dolara i Afrika hama­tsiana ny fiatrehana ny fiovan’ ny toetr’andro, ho an’ny taona 2020 hatramin’ny 2030. Tsy mahazo afa-tsy ny 3%-n’ny […]

Mpandraharaha madinika: mivoatra ny fanodinana tantely

Misehatra amin’ny fanodinana ny akora voajanahary eto an-toerana, manodina ny tantely ny orinasa Iloo. Niforona tamin’ny taona 2019, orinasa madinika mifantoka amin’ny akora tantely. Maro ny vokatra sy ny tolotra omeny ary tan­jony ny hanomezana vokatra mifanandrify amin’ny filan’ny mpan­jifa. Anisan’izany ny tantely atao anaty boaty na tavoahangy, sns. Anisan’ny […]

Vondrona Sodiat- 33 taona: mitohy ny vina ho tombontsoan’ny toekarena malagasy

«Ezaka maro avy amin’ny olona maro no nahatrarana izao faha-33 taona izao sy ny fahombiazana rehetra, tao anatin’izany » hoy Ravatomanga Mamy. Mbola maro ny ezaka hitohizan’ny fahombiazana ho tombotsoan’ny Malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny lanonana fankalazana ny faha-33 tao­nan’ny Vondrona Sodiat. He­tsika maro […]

Fimmar: «Aleo handeha anaty fitoniana ny fifidianana»

Nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Fim­mar, i Ndremitsara Tarzan, fa mivaona tanteraka ny fomba fanaovana politika ary mitarika ho any amin’ny korontana. «Aoka isika handala ny fitoniana ahafahana miroso amin’ny fifidianana», hoy izy, ny herinandro teo. Nahitsy ny tenany nilaza fa efa tsy fotoanan’ny fifampiantsiana intsony izao. Tokony hampiseho fitondran-tena mendrika […]