Taratra

Rotary Club Antananarivo Vovonana : mpianatry ny EPP Volavy miisa 100 nahazo fitaovam-pianarana

Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatry ny EPP Volavy Gara eny Man­jakandriana ny fikambanana Rotary Club Antananarivo (RCA) Vovonana. Nanatan­teraka izany ny filohany, Randrianarisoa Malalatiana, niaraka tamin’ny mpikambana vitsivitsy, toa an-dRaketa­manga Lalao, efa filoha teo aloha. Niisa 100 ny ankizy nisitraka ny fanampiana, ka ao amin’ny kilasy T5 izay hanala fanadinana […]

Ambalamanasy : polisy nidaroka renim-pianakaviana

Nahavariana ny olona ity raharaha niseho tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy ny 3 Aogositra lasa teo ity. Manaraka akaiky izany ny minisiteran’ny Filaminana anatiny noho izy mahakasika manamboninahitra polisy iray. Raha hiverenana, nifankahita tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy ilay renim-pianakaviana iray teratany malagasy manambady teratany vahiny sy ilay polisy manao fanamiana sivily […]

Fifidianana filoham-pirenena : hanohana ny kandidà laharana fahatelo ny CS-ANR

Afaka iray volana eo ho eo, hotanterahina eto Madagasikara ny fifidianana filoham-pirenena. Araka izany, nanatanteraka fivoriana teny Ivandry, ny fikambanana CS-ANR. Vonona ny hanamafy ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, ny filoha teo aloha Rajoelina Andry Nirina, ny fikambanana CS–ANR. Fanambarana na­tao teo imason’ireo mpikambana tonga teny amin’ny Arena Ivandry, […]

Rugby : nanentana ireo kilonga ambany tanàna ny Tibu Africa

Taorian’ny faritra Atsimo Andrefana, nitohy teto Anta­nanarivo indray ny fanentanana ireo ankizy, ampanaovin’ny Tibu Africa sy ny Terres en mêlées Madagascar eo amin’ny taranja rugby. Notantera­hina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izany ny sabotsy lasa teo. Nisitraka izany, ireo kilonga 100 mianadahy eo amin’ny 7 – 15 taona, avy amin’ireo […]