Tsy mifidy taona ny fanaovan-dratsy. Lehilahy lehibe, efa 60 taona no voasambotry ny polisy teo ampihaniahana tamboho. Ikoizana amin’ny famakiana trano izy. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo Ambony teny Saropody, omaly tamin’ny 5 ora maraina, ny jiolahy raindahiny. Nikasa hamaky tranon’olona sy hangalatra izy no tra-tehaka […]
Taratra
Fiangonana advantista: naneho fitiavana tamin’ny hazakazaka Agape
Toy ny fanao isan-taona eo anivon’ny fiangonana advantista, notanterahina omaly alahady, tetsy amin’ny farihin’Anosy ny famaranana ny hetsika lehibe feon’ny tanora, fitoriana ny filazantsara, nokarakarain’ny fikambanan’ny tanora miara-miasa amin’ny fikambanana ANZ (Andry Ny Zarantsoa). Tafiditra tamin’izany koa ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny mpisavalalana. Ho fanamarihana izany, nisy ny hazakazaka Agape, […]
INDRAY MIJERY
Manana hetsika lehibe ny orinasa Orange sy ny Orange solidarité amin’ity herinandro ity. Hisokatra anio, eny amin’ny foiben’ny orinasa Ankorondrano ny hairanty momba ny village Orange. Rahampitso, lasa tanàna Orange ny kaominina Antsahafilo ka ho marihina amin’ny lanonana eny an-toerana. Mpiofana maherin’ny 1 041 amin’ny faritra 24 no nozaraina fitaovana hoentina […]
Mampisara-taona : ho maina ny andro anatin’ny hateloana
“Ho maina ny andro ao anatin’ny telo andro manaraka”, hoy ny teknisianina eny amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Ny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy sy ny faritra Melaky no hisitraka rotsakorana fa ny faritra sisa ho maina avokoa. Anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika izao ary indraindray mbola mahatsapa hatsiaka. […]
Olana iraisam-pirenena : tsy manana fotodrafitrasa fidiovana ny olona 4,2 miliara
Misehatra any Niger sy Sénégal ny « Speak UpAfrica » amin’ny fametrahana ny fandaharanasa « Boues d’or » hanomezana lanja ny fanadiovana sy ny fidiovana mitondra vokatra tsara indrindra ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy. Olana iraisam-pirenena sedrain’ny firenena maro ny tsy fisitrahan’ny vahoaka ao aminy fanadiovana. Tsy manana fotodrafitrasa fidiovana ny olona 4,2 […]




