Taratra

INDRAY MIJERY

Mampahafantatra ny rehetra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ireo endrika fisolokiana sy kaonty sandoka mampiasa ny anaran’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera. En­tanina, araka izany, ny rehetra ho mailo amin’ny hafatra sy kaonty mampiahiahy, tsy handefa vola na hanome vaovao manokana amin’ireo olona milaza ho tomponandraikitra, ary hitory avy hatrany any amin’ny […]

Kaominina Behompy, Toliara II : Nanome tolo-tanana ho an’i Toamasina

Nanome tolo-tanana ho an’i Toamasina, izay voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny kaominina Be­hompy, Toliara II, faritra Atsi­mo Andrefana. Tonga nanolotra izany tetsy alohan’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra Analakely, izy ireo, ny sabotsy lasa teo. “Tonga eto izahay solontena avy any amin’ny kaominina Behompy mba hiombom-po amin’ny vahoakan’i Toama­sina satria […]

Mbola tsy levona i Gezani: Loza mitatao ho an’Ampanihy sy Beloha

Omaly tolakandro, tany amin’ny 162 km andrefan’­ Itampolo-Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay rivodoza Gezani. Nihena hatrany ny heriny. 80 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 110 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana izy ka nahafaka 11 km isan’ora. Tombanana hanakaiky kokoa ny morontsiraky ny distri­kan’Ampanihy Andrefana izy […]

Fanampiana ny traboina ao Toamasina: Mifarimbona ny Nifin’Akanga, ny Autisme Madagascar ary ny OIM

Mavesatra ny ratra navelan’i Gezani. Hatramin’izao, mbola tsy tafarina i Toamasina. Mila ny tolo-tanan’ny rehetra ho fananganana indray ny fihariana. Nitondra ny anjara birikiny ny Nifin’Akanga… Mifarimbona amin’ny tolo-tanana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, tany Toamasina, ny Ni­fin’Akanga, ny Autisme Mada­gascar ary ny Organisation internationale pour […]

TARATRY ny KANTO

Hanampy ireo mpiray tanindrazana niharam-boina any Toamasina i Joely Kely. Nambarany ombieny ombieny io nandritra ny fampisehoana inefatra nisesy nataony, ny faran’ny herinandro teo. Nohamafisiny sy ny Ivenco izay mpikarakara kosa izany omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy. Hisy ampahany tamin’ny vola azo, ampiana amin’izay voaangona ny andron’ny fampisehoana. Nosafidiana fa […]