Taratra

Nidona tamin’ny sarety: Vehivavy nitondra moto voatrobaky ny vy

Tsy nisy famatarana, ni­tondra vy amin’ny andro alina ny sarety iray ka niteraka lo­zam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK8 +500, fokontany Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsi­mon­drano, ny alatsinainy 16 febroary teo. “Mitondra vy lava sady marani-joro ilay sarety. Tsy nisy marika na loko marevaka mazava alina sy hita maso tamin’ny sarety”, […]

Soanierana: Lehilahy miisa efatra naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any Antanimora avokoa, ireo efa-dahy tratra nangalatra tao amin’ny toeram-piasany tetsy Soanierana. Naharay fitarainana tamin’ny tompon’ny orinasa ny polisim-pirenena momba ny tranga fangalarana fitaovan’ny orinasa. Efa nisy ireo olona ahina ho nanatontosa ity halatra ity. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana taorian’izay. Mpiasa miisa efatra […]

Nokarohina nandritra ny telo andro  : Tovolahy 19 taona, maty natelin’ny rano teo am-pilomanosana

Hita faty tao anaty rano, tany Antanifotsy, omaly maraina, ny tovolahy 19 taona. Nilomano niaraka tamin’ny namany izy io ny sabotsy tolakandro ary tsy hita. Natao ny fikarohana azy ka izao hita faty izao. Tovolahy iray 19 taona, hita faty natsingevan’ny reniranon’i Onive tany Andranomalaza, disitrikan’ Anta­ni­fotsy, faritra Vakinanka­ratra, omaly […]

Lalao Olympika amin’ny ririnina : Faha-50 i Mialitina Clerc

Niditra an-tsehatra ny alahady lasa teo i Mialitina Clerc, teo amin’ny fifaninanana fikorisana amin’ny ranomandry, lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. Fifaninanana notanterahina tany Milan-Cortina, Italie. Nitana ny laharana faha-50 tamin’ireo mpandray anjara 76 niatrika ny Ski, ho an’ny Slalom géant ny tovovavy. 2 mn 31, 99 s ny fe-potoanany […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny sabotsy lasa teo ny fifaninanana “inter établissement”, andro faharoa, teo anivon’ny klioban’ny Makawa (Madagascar Karate-do Wado), taranja karate. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fitokanana Seiko No Kai KaMa sy Body karate, nandritra izany. Tonga nanotrona izany, teny amin’ny Espace Queens Fanomezantsoa By-Pass, ny eo anivon’ny federasionina. Niditra tamin’ny […]