Ho fiatrehana ny ririnina, nanolotra akanjo mafana maro, izay milanja 1 taonina sy 850 kilao ho an’ireo ankizy sy mpilalao mpikambana, mitotaly 450, ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Hetsika fanaon’ny klioba isan-taona, izay notontosaina teny Imamba Soavimasoandro, ny sabotsy 10 jona lasa teo. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny […]
Taratra
Tetikasa baolina kitra : misokatra ny Dato Akademy Mahazaza
Ho fampivoarana ny taranja baolina kitra eny ifotony, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 14 jona lasa teo, teny Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo Antananarivo, ny Dato Akademy Mahazaza. Tetikasa iray novolavolain’ny Dato FC, avy any Farafangana sy ny kaominina eny an-toerana izy ity. Efa misy manerana ny distrika maro ny Dato […]
Basikety N1B (L) : hiditra amin’ny ampahefa-dalana
Andro vitsy sisa dia ho fantatra izay ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana N1B lehilahy, taranja basikety. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana. Raha ny lalao ampahavalon-dalana omaly, niady ny fifandonana teo amin’ny RBC Boeny sy ny 3FB Atsimo Andrefana. Isa roa monja (49-47) ny elanelana nisy teo amin’ny roa […]
Atleta avy any Chine : nigadona an-tanindrazana ny delegasiona voalohany
Tonga omaly alakamisy 15 jona, eto an-tanindrazana, ireo atleta niofana tany Chine, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Nizara andiany roa izy ireo ka ny delegasiona voalohany no tonga, nahitana ny avy ao amin’ny atletisma sy ny fibatana fonjamby. Afa-po tamin’ny fampiofanana ny atleta, nambaran’i Ricardo Elarion, mpibata fonjamby. Maro, hoy […]
Vahoaka miray: “Aleo handeha ny fifidianana”
“Tandremo: mandeha ny fifidianana, fa aoka tsy harebireby intsony. 140 miliara Ar raha ny vinavina hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fa 70 miliara Ar no homen’ny fanjakana. Antsasa-manilan’ny vola ilaina izay 70 miliara Ar izay. Ratsy karakara ny fifidianana raha izany.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray […]




