Hahazo ny anjarany amin’ny « Star Tour » koa ny eto Antananarivo. Taorian’ny tany Antsirabe, hotontosaina etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny « Star Tour Tanà », ny 23, 24 ary 25 jona izao. Natao hifanandrify indrindra amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena izany, ho fampifaliana ny mpianakavy, raha ny filazan-dry zareo mpikarakara avy ao amin’ny Star, […]
Taratra
Angom-pikarohana maro no natambatra… : nivoaka ny boky “Loharano nipoiran’ny teny malagasy”
Lanonana tsotsotra fa manan-danja lehibe. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoahan’ilay boky “Loharano nipoiran’ny teny malagasy”. Boky navoakan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izy ity, izay fandravonana ireo angom-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana momba ny tantara sy ny teny malagasy. voka-pikarohana samihafa momba ny niavian’ny teny […]
Teatra an-kalamanjana: hisehatra eo Analakely ny Tropy Jeannette
Tropy zokiny indrindra, fa tropy mihetsika indrindra ihany koa ! Tsy mitsaha-mikaroka hevitra hampitana sy hampitiavana ny teatra ny Tropy Jeannette. Ezahan’ izy ireo samy mahazo ny anjarany, araka izany, avy ny mpankafy teatra. Efa nentin’ny tropy tetsy amin’ny efitranon’ny Arena Ivandry an-tsehatra tsy ela akory izay, ilay piesy « HM ». Noho […]
Ratovo Valiha : mahasarika tanora ny « Semaine de la Valiha »
Madiva hifarana ny hetsika « Semaine de la Valiha » niarahana tamin-dRatovo Valiha, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely). « Ny Valiha sy ny tontolony ho fampandrosoana lovain-jafy » no lohahevitra novoizina nandritra ity hetsika ity. Fampirantiana sy atrikasa ary valandresaka momba ny valiha no nentina namenoana izany hetsika izany. Tanjona ny hametraka ny zavamaneno […]
Very hasina noho ny vanim-potoana : nanjary nisy ny karazan-dray, reny, zanaka…
Tsy nahay nanoratra ny Malagasy fahagola. Na aman-jato taona maro aza no niainany izany, mahalala tsara ny maha izy azy izy ireo. Io tsy fisian’ny soratra io rahateo no singa iray nanery ny Malagasy hampiasa ny sofina mihaino sy ny saina mandinika sy mitadidy ary ny fanahy handalana ny voajanahary… […]




