Taratra

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna : manome tohana ny governemanta amerikanina

Mamolavola paikady sy politika hoentina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna sy tsy voambara ary tsy voafehin’ny lalàna i Etazonia, miaraka amin’ireo Nosy aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Misy ny fivoriana mandritra ny hatelona hanatanterahana izany. Manantitra ny fahavononany i Etazonia hiady amin’ny jono tsy ara-dalàna aty amin’ireo firenena amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe […]

Fanarenana ny ala sy ny tontolo iainana (RPF): hanarina 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030

Tsy ny fambolen-kazo ihany no famerenana maitso ny tontolo, fa misy koa ny fanarenana ny tontolo iainana sy ny ala (RPF). Ao anatin’izany ny fanajariana hametrahana tontolo mirindra, ho an’ny fambolena, ny fiompiana, ny rano, sns. Mifototra amin’ity paikady RPF ity ny tetikasa Forests for Future, tohanan’ny fandaharanasa ho an’ny […]

Madagascourt Film Festival : misokatra ny andiany faha-18

Efa misokatra ho an’ny manam-pikasana handray anjara amin’ny « Madagas­court Film Festival”, andiany faha-18, ny fandraisana anjara. Ity hetsika lehibe ho an’ny horonantsarimihetsika malagasy ity izay hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 novambra 2023. Ny 23 jolay 2023 ny fara fisoratana anarana amin’izany. Mizara efatra ny sokajy ahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana mandritra ny “Madagascourt Film Festi­val” andiany […]