Taratra

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) – Handball : hiatrika fampivondronana ny Akio de Madagascar

Hiditra ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ny Akio de Madagascar, sokajy senior, vehivavy. 22 mirahavavy ireo hiatrika izany mandritra ny tapa-bolana, eny Vontovorona. Fivondronan’ny teknisianina no hitarika izany. Taorian’ny fahombiazana azon’ny Akio de Mada­gas­car, sokajy vehivavy cadette sy junior, ka nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny IHF […]

Zava-mahadomelina : lehilahy nahatrarana rongony 150 fonosana

Mpamatsy rongony ao an-tanàna, saron’ny zandary ny lehilahy iray ikoizana amin’ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ao Antanifotsy, ny 1 jona teo. Naharay loharanom-baovao tamina tsara sitrapo, niroso tamin’ny fisavana ny tranon’io lehilahy voatondro io ny zandary taorian’ny fahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Tratra tao ny rongony milanja 500 grama, natao anaty […]

Mananara Avaratra : nahazo birao ny minisiteran’ny Mponina

Tsy very anjara ny distrika any amin’ny faritra Ana­lanjirofo. Anisan’ny nahazo birao ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponi­na ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Anisan’ ireo fotodrafitrasa notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry izany, nandritra ny fitsidihany ny tany an-toerana sy tany Maroan­tsetra, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny minisitry ny Mponina, […]

Vondrona Vonjy voina Ivato : nahazo tohana avy amin’ny masoivoho frantsay

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Vondrona vonjy voina Ivato (Corps de protection civile – CPC) ireo fitaovana vaovao vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika malagasy sy ny Tafika frantsay. Nanolotra ny fitaovana ny masoivoho frantsay mi­asa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guillois. Nandray izany kosa ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, […]

Polytechnique 50 taona : 300 isan-taona ireo injeniera nivoaka

Nihaona teny By pass ireo fianakaviambe (mpampianatra, mpianatra, mpiara-miombon’antoka…) rehetra eo anivon’ny Polytechnique Vonto­vorona, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hampisehoana ny firaisankina eo amin’izy ireo alohan’ny hankalazana ny faha-50 taonan’ny sekoly, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. « Mahatratra 300 isan-taona ireo injeniera anatin’ny sampam-piofanana 16, mi­voaka eny anivon’ny se­koly hatramin’izay nisiany », […]