Fito ny tovovavy mpiadina bevohoka ho an’ny herinandro voalohany, nandritra ny adina ara-panatanjahantena teto Antananarivo, Atsimondrano ary Avaradrano. “Misy ireo nilaza mialoha ny toe-batany tamin’ny tomponandraikitra, teo koa no voatily fa mitondra vohoka mialoha ny hiatrehiny ny adina”, hoy ny mpandrindra ankapobeny ny adina ara-panatanjahantena eto Antananarivo, Raharivelomamonjy Bakoliarisoa, omaly. Telo […]
Taratra
Farmasianina : 25 ireo nahazo mari-pahaizana
Mpianatra 25 teo anivon’ny sampam-piofanana Farmasianina, avy amin’ny Anjerimanontolo Ankatso, nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo. Notanterahina tetsy amin’ny Carlton Anosy ny lanonana. Nitondra ny anarana “Andry Aina”, andiany fahavalo izy ireo. Ankoatra ny lanonana famoahana ireo mpianatra, nankasitrahana manokana ihany koa ireo mpampianatra nandritra izany. Mbola olana eto […]
Vovonan’ny sekoly tsy miankina: “Tsy voaenjika ireo mpanao hadisoana amin’ny fanadinam-panjakana”
Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, ny 20 jona ho avy izao, ho an’ity taom-pianarana ity. Manoloana izany, naneho hevitra momba ny dingana fanomanana fanadinana ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. Tsy vitan’ny fanjakana samirery ny fanomanana ary rehefa misy ny lesoka hita, ezahina ny […]
Ambatomasina-Maroantsetra : nahazo birao ny sampandraharahan’ny jono
Notokanana ny sabotsy teo ny biraon’ny sampandraharahan’ny jono sy ny toekarena manga ao Maroantsetra. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry mivady sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Tsimanaoraty Mahatante Paubert niaraka tamin’ireo mpikamban’ny governemanta maro. Natolotra nandritra izay ihany koa ny sambo haingam-pandeha Argos 710 « Antendromaso […]
Delestazy : hiverina amin’ny laoniny ny herinaratra amin’ny zoma
Fahataran’ny famatsiana solika mavesatra noho ny tsy fahatomombanan’ny sambo mpitatitra. Fihenan’ny tohodrano hatramin’ny 30%, izay mampanano sarotra ny famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano. Ireo no nambaran’ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama, Rabarison Hery Tiana, fa antony mahatonga ny fahatapahan-jiro amin’izao. Notohizany fa miantoka ny ampahany betsaka amin’ny filàna herinaratra eto […]




