Taratra

CUA-MEH-Jirama: tontosa ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano »

Nisantarana ny tetikasa “Hazavao ny elakela-trano” eto anivon’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra ny alakamisy teo, ny eny amin’ny fo­kontany Behoririka, Ambato­mi­tsangana, Ankadifotsy, ao anatin’ny boriborintany fahatelo.. Nisongadina ny fiovana satria tena namirapiratra ny tanàna nohazavain’ny jiro. Nanamarina izany ny mponina amin’ireo toerana ireo izay nankasitraka ny mpitantana ny tanàna sy ireo […]

Fampivoarana tanàna : hampandroso an’Ampasika ny Tafa

Vonona ny hampandroso ny fokontanin’Ampasika ny fi­kambanana Toky sy Andry amin’ny Fampandrosoana an’ Ampasika (Tafa). Araka ny voalazan-dRandriamanana Armand, filohan’ny Tafa, omaly, teny an-toerana dia tsy misy ambadika politika ny adidy sy andraikitra ataon’izy ireo eny an-toerana. Tanjon’izy ireo ny hampiditra ireo kilonga an-tsekoly, hamerina ny soatoavina malagasy, hanentana ny […]

Fiovan’ny toetr’andro : firenena marefo voalohany indrindra eto Afrika i Madagasikara

Voalaza ho anisan’ny firenena iray eto Afrika anjakan’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara, raha ny nambaran’ny fikambanana Aika. Mijoro handray andraikitra sy hanampy ny tanora ma­lagasy izy ireo mba hiady amin’izany olana izany. Firenena marefo voalohany indrindra eto Afrika i Madagasikara amin’ny fiovan’ny toetr’andro, raha ny nambaran’ny fikambanana Alliance Aika, omaly, […]

Fanampiana ireo voafonja : haverina ny asa famokarana sy fizarana traikefa

Hamerenana indray ny hasin’ny famokarana eny anivon’ny fonja, mba hahafa­han’ireo voafonja misakafo ara-dalàna. Ireo no tanjona napetraka tamin’ny fifanaovan-tsonia sy fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny minisiteran’ny Fitsarana, afakomaly, tetsy Anosy. Natao izao hampihodinana ny fonja tsirairay sy hanenana ny tetibola lanin’ny fanjakana amin’izany. Fa indrindra hanomezana […]

Fifanakalozan-kevitra : jerena ny fampidirana herinaratra ambani­vohitra

Anisan’ny teboka mampandroso ny toerana iray ny fisian’ny herinaratra. Loha­ranon’ny fanodidina ny asa izy ary anisan’ireo miantoka ny fandriampahalemana. Araka izany, nisy ny dikina sy fifanakalozan-kevitra nataon’ny ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanam­pisoa Solo, sy ny delegasiona avy amin’ny « Kreditanstalt für Wiederaufbau » (Etablis­se­ment de crédit pour […]