Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny compagnie urbaine de circulation (CUC/CSP4), nandrindra ny fifamoivoizana teny Ampefiloha, omaly, ireo jiolahy roa, tompon’antoka tamina halatra tanaty fiaran’olon-tsotra iray. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny fiara “parking” eo Ampefiloha ity fiara ity no nidiran’izy roa lahy tampoka. Sendra nivoaka ny tompon’ilay fiara ka nanararaotra niditra tao […]
Taratra
Isaky ny alina maty jiro… : naolan-drainy ny zanany vavy moana marenina
Efa tsy olona intsony! Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Miarinarivo, afakomaly, ilay raim-pianakaviana nahavita nanolana an-janany vavy manan-kilema (moana sy marenina)… Tokony homena ny sazy faran’izay mafy! Ny polisy miasa ao amin’ ny kaomisaria Soavinandriana no nahasambotra ity raim-pianakaviana nahavita nanao fihetsika mamoafady tamin-janany vavy ity. Tsy vitan’ izay fa […]
Madagascar Airlines : hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany
Nanao sidina nanomboka, omaly, teto amin’ny lanitry ny Nosintsika ny Madagascar Airlines rehefa nahazo ny taratasy fankatoavana avy amin’ny “Aviation civile de Madagascar” (ACM). Afakomaly alina, nisy ny fanambarana nataon’ity kaompania ity momba ireo fepetra sy ny dingana rehetra nataony. Ankehitriny, vonona ny hampiroborobo indray ny sehatry ny fizahantany sy […]
Tetikasa Purpa : hanampy ny tantsaha amin’ny famokarana
Nisitraka “kit” ahitana masomboly, zezika organika 125 kg, NPK 11 22 16, 25 kilao ary karatry ny mpamokatra fanamarinana ny maha matihanina ireo tantsaha 360 isa, tao Marovoay. Ny zoma teo, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire» (Purpa). Hanampy ny […]
Fampiroboroboana ny jono: hamafisina ny paikady sy ny lafiny teknika
Miainga avy any ifotony miaraka amin’ireo pitsopitsony samihafa izay handraisan’ny rehetra anjara ny fampandrosoana ny jono eto Madagasikara. Misy ny paikady manokana dinihina hanatsarana izany. Fananana paikady mirindra izay handraisan’ny rehetra anjara hanatsarana ny jono eto Madagasikara. Io no tanjona napetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, mandritra ny […]




