Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny ora fivezivezen’ny fiara vaventy na ny kamiao anaty tanàna. Araka ny voafaritry ny Arrêté interministeriel N°11350/ 2015 dia mazava tsara ary efa fantatr’ireo mpampiasa ireny kamiao ireny ny ora fivezivezena. Ho an’ireo fiara vaventy mihoatra ny 16 taonina (PTAC), voafetra amin’ny 9 […]
Taratra
Nifin’Akanga : “Goragora ny lalàna mifehy ny fanalan-jaza”
Voafaritra ho anisan’ny firenena afrikanina manana fehezan-dalàna goragora mikasika ny fanalan-jaza i Madagasikara nanomboka ny taona 2017, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny fikambanana Nifin’Akanga. Nilaza izy ireo fa antony faharoa mahatonga ny fahafatesan’ny reny betsaka eto Madagasikara ny fahasarotana ateraky ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Vokatry ny fahaverezan-dra […]
Cisco Antananarivo Renivohitra : nidina ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE sy BEPC 2023
Miroso ny fanomanana ny fanadinam-panjakana ary fantatra ny isan’ny mpiadina rehetra ho an’ny CEPC sy ny BEPC. 27 862 ny isan’ny mpiadina nisoratra anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE 2023, araka ny tatitra avy amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. 68 ny sokajy A, 24 508 ny sokajy B ary 3286 ny sokajy […]
Basikety – « Mibala Tournament » : nisongadina ny fandresen’ny DEGS Ankatso
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Palais de Sport sy ny Gymnase couvert Mahamasina ny andro fahatelo, fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, ho an’ ny mpianatry ny Oniversite eto amintsika. Naneho ny mahasangany azy ny DEGS Ankatso. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa mavesatra 96 no ho 34, ny Iscam. Fifanandrinana natao tao amin’ny […]
JIOI 2023 : fantatra ny mpanazatra hitondra ny Barea
Rakotondrabe Romuald Felix, voafidy hitondra indray ny Barea mandritra ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny volana aogositra ho avy izao. Araka ny tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) teny Isoraka, omaly, i Theodore Béatrice no hanazatra ny ekipam-pirenena vehivavy amin’io JIOI 2023 […]




