Hanomboka ny fanondranana harena an-kibon’ny tany eto amin’ny Nosy. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, omaly, fa misy ny lalàna ao amin’ny tetibola mikasika ny fahazoan-dalana manao izany. «Voafehin’ny lalàna ao amin’ny tetibolam-panjakana 2023 ny mikasika ny fahazahoan-dalana (droit de sortie) izay alaina amin’ireo fanondranana vatosoa eto amintsika», hoy ny tale jeneralin’ny […]
Taratra
Andron’ny fahasalamana : nodidina maimaimpoana ny “hernie” sy ny vaky lanilany
400 000 eo ho eo ireo olona efa nisitraka mivantana ny hetsika « fitsaboana manakaiky vahoaka », nialoha ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, tany amin’ny distrikan’i Miarinarivo, ny herinandro lasa teo. Nisy varavarana misokatra sy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana nandritra ny telo andro, teo anivon’ny CHRR Itasy, Miarinarivo […]
CEe : Malagasy 4 mirahavavy hanaraka fiofanana
Voafidy hanaraka ny fiofanana Community Engagement Exchange (CEE) i Johanna Ravomanana, Ny Andraina Andriamanantena ary Sedra Rakotovao. Voafidy ho mpanoro lalana CEE Specialist Mentor kosa Rafitoson Ketakandriana. Taorian’ny fiofanana ampitain-davitra naharitra telo volana, hihazo an’i Etazonia ireto Malagasy mpitarika ireto. Handray anjara amina hetsika sy tetikasa momba ny fiarahamonim-pirenena eny […]
Herisetra ara-nofo : 19% amin’ireo niharan’ny fanolanana no sahy mitaraina
Mihamahazo vahana ny fanolanana eto Madagasikara satria 80% ny tranga momba izany. Vitsy amin’izy ireo no sahy mitoroka noho ireo vesatry ny kolontsaina sy ny fitotongan’ny toe-draharaha misy eto amin’ny Nosy. Firaisana tsikombakomba avokoa ny 80% amin’ny trangana fanolanana eto Madagasikara, raha ny antontanisa navoakan’ny Unicef. 19% amin’ireo niharan’ny fanolanana […]
Very fototra : tsy mijery ny taloha ny ankehitriny
Anisan’ny mampatanjaka ny kolontsaina vahiny ny fananana ireo nialoha lalana. Tsy very ny napetrak’izy ireny fa voatahiry. Eo amin’ny tontolon’ny hira, ohatra, mbola afaka tendrena sy hirain’ny taranaka aty aoriana ny « Aleluya » sanganasan’i Haedel efa voaforona anjato taona. Ny an’ny Malagasy kosa, izay kely fantatra sy voatahiry, ovaina. Na ny […]




