Taratra

Rakotondrazanany Stacy, « psychologue »: “Miainga ao an-tokantrano ny fikojana ny fahasalaman’ny saina”

Tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fahasalaman’ny saina. Lohahevitra tsy resahana matetika nefa mahakasika olona maro eto amintsika ny fikorontanan’ny saina, ny fahakivian-tsaina tanteraka (dépression) ary ny rarin-tsaina (stress), hoy ny psychologue sady mpanolontsaina teknika momba ny fahasalaman’ny saina eo anivon’ny ONG Humanité £ Inclusion (HI), Rakotondrazanany Stacy, rehefa […]

Antoko Hiaraka isika : haneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena

Hanatanteraka ny kongresy nasionaly, voalohany, ny antoko Hiaraka isika. Homarihina ao anatin’izany koa ny faha­dimy taona nijoroan’ity an-toko, naorin’ny Jly Camille Vital ity. Hanomboka ny 12 hatramin’ny 15 avrily izao any Toliara izany. Anisan’ny hi­songadina ny handinihan’izy ireo ny fiainana anatin’ny antoko. Eo koa anefa ny hanehoan’ny Hiaraka isika ny […]

Fiaraha-miasa : hanohana ireo kaominina ny loholona Frantsay

Noraisin’ny loholona, no­tarihin’Andrianandrasana Haja­niaina Tahina, tetsy Ano­sikely ireo loholona Frantsay, notarihin’i Olivier Cadic, omaly. Voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Fran­tsa, indrindra eo amin’ny samy Antenimierandoholona. Niompana amin’ny fanomanana ny fihaonambe hiarahan’ny loholona sy Malagasy mpandraharaha, andaniny sy amin’ ireo loholona miaraka amin’ ny Frantsay mpandraharaha ankilany […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Fandaminan-javatra ny fepetra noraisin’ny Atitany”

“Fandaminana ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany . Mba tsy ho tonga any amin’ny fihantsiana sy fifamonoana isika. Mafana ny rivotra politika ary hihamafana mandra-pahavita ny raharaham-pifidianana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote Rakotondrasoa Fetra. Anjaran’ny mpitarika po­litika sy ny olom-pirenena no mandamina izay. Mba tsy ho tonga any amin’ny fikasihan-tanana sy […]

Jly Ravelonarivo Angelo: “Tsy maintsy tsinjovina ny filaminam-bahoaka”

Nitondra fanazavana momba ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly. Nambarany tamin’izany fa ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenena no maniraka ny tomponandraiki-panjakana handray fepetra mitsinjo ny filaminam-bahoaka. “Mbola tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra azo anaovana hetsika famoriam-bahoaka an-dalambe izao. Eo amin’ny fanetsehana ny rantsa-mangaikan’ny antoko […]