Taratra

Ho lavitry ny loza !

Fiteny mahazatra isan-taona rehefa fetin’ny Paka tahaka izao ny hoe fety ieren-doza. Samy manezakezaka avokoa ny ankolafin-kery rehetra misy eto amin’ny firenena manao izay hanatrarana ny tanjona. Torak’izany ny isan-tokantrano, mitady ny fomba hanao­vana fety am-pahatsorana sy arakaraka izay ho enti-manana. Tsy misy maharatsy ny fanaovam-pety tokoa, fa mila fifehezan-tena […]

Fidorohana sy fahavetavetana : zatovo lahy sy vavy miisa 60 nosamborina

Mahavita zava-doza ny fikambanan-jazamaditra ao Toamasina. Ampisotroina ranon-javatra tsy fantatra sy vetavetaina ireo zatovo vao 12 hatramin’ny 17 taona. Tafakatra 60 ireo tanora voasambotry ny mpitandro fi-laminana momban’ny fi­kambanana zaza maditra « Gool Den Team » ao Toamasina, omaly. 12 hatramin’ny 17 taona ny ankamaroan’izy ireo. « Henjana sy mivoatra ny ditran’ny ankizy […]

EPP Anosivavaka : 430 ireo mpianatra nisitraka ny fotodrafitrasa vaovao

Notokanana omaly ny fanavaozana fotodrafitrasa teny amin’ny EPP Anosivavaka. Miisa 430 ireo mpianatra nisitraka izany. Tonga nanatrika izany ny avy amin’ny solon-tenam-panjakana maro samihafa. Notokanan’ny Fonda­tion Viseo, omaly, ny EPP etsy Anosiva­vaka, ao anatin’ny boriborintany fahenina. Nisitraka izany ireo mpianatra 430 eo ani­von’ny sekoly. Niarahany niasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra […]

Projet SWIOFish2 : hiroborobo ny sehatry ny jono any Diana

Anisan’ny hitondra fampivoarana ny sehatry ny jono eto amintsika ny “Projet SWIOFish2”, iarahana amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Notanterahina ny herinandro teo, tany Diana, distrikan’ Ambanja sy i Nosy Be ity te­tikasa ity, amin’ny alalan’ireo asa lehibe, miisa valo, hatao any an-toerana. Napetraka tamin’izany ny vatofototra ho […]

Taom-panjonoana “langouste”: tsy misy mividy ny vokatra

Nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo ny taom-panjonoana oratsimba (langouste), ao Ampasinakoho, distrikan’i Vangaindrano. Ambany anefa ny vidiny ary tsy misy mividy ny vokatra. 8.000Ar ny kilaon’ity hazandrano ity raha toa ka 25.000Ar ny vidiny novinavinain’ny mpanjono azy amin’izao taom-pisokafany izao. “Amin’ny taonina isan-kerinandro ny vokatra miakatra saingy tsy manana […]