Taratra

Jica Ninja Cup : misokatra ny fifaninanana fanolorana tetikasa « appel à projet »

Nanomboka nisokatra ny fifaninanana fanolorana tetikasa, izay tontosain’ny Jica Ninja Cup 2023, andiany faharoa. Natao ho an’ny tanora latsaky ny 35 taona, manana tetikasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, fanabeazana, fahasalamana ary ny fikirakirana ny fako ny fifaninanana. Koa entanina ny tanora rehetra manerana ny Nosy hanatitra ny tetikasany ao […]

Antenimierandoholona : hamafisina ny fiaraha- miasa amin’i Frantsa

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona fran­tsay, Gérard Larcher, tany Paris, ny filohan’ny Anteni­mie­randoholona (PS) malagasy, Razafimahefa Herima­nana, ny 5 avrily teo. Nifan­toka tamin’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. Na­voitran’ny PS, Razafimahefa Herimanana, fa manan-danja ny fifandraisana manan-tantara amin’i Frantsa, izay nanohana hatrany an’i Madagasi­kara, na tao anatin’ny fotoan-tsarotra […]

Nitotongana ny tsena : tafidina 22.000 dolara/t ny vidin’ny nikela

Miantraika any amin’ny vidin’ny vy sy ny manodidina azy ny krizy ara-toekarena maneran-tany, ka isan’izany ny nikela. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana maneran-tany, taorian’ny krizy Covid- 19 no anisan’ny antony. Araka ny tsena iraisam-pirenen’ny metaly any Londres Angeletera (LME), tafidina 22.000 dolara ny vidin’ny nikela iray taonina ny faran’ny […]

USAID Access : mitentina 36 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola fanampiny

Nampahafantarina, omaly, tetsy Ankorondrano fa hitohy hatramin’ny volana marsa 2025 ny fandaharanasa USAID Access, izay tanterahin’ny MSH, momba ny fahasalamana. Nahazo famatsiam-bola fanampiny, mitentina 36 tapitrisa dolara, ny tetikasa hahafahana manohy ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Tafakatra 126 tapitrisa dolara, araka izany, ny vola ho an’ny tohana […]