Taratra

Filaharan’ny Fifa: nivarina ho faha-110 i Madagasikara

Namoaka ny filaharana vaovao amin’ny baolina kitra eran-tany ny federasionina iraisam-pirenena, nilatsaka any amin’ny faha-110 i Madagasikara, raha toa ka faha-102 teo aloha. Nivarina any amin’ny laharana faha-110 i Madagasikara eo anivon’ny Fifa, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ity fikambanana iraisam-pirenena’ny baolina kitra ity, omaly, manana isa 1181, […]

VHT – Fikaonandoha : “Ilaina ny fanarenana ifotony”

“Fihaonana hanaovana fanorenana ifotony ny firenena malagasy tokony hisy, fa tsy fihaonana endrika ivelany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razanakoto Norbert. Raha tsy misy ny fanorenana ifotony, tena miverina andoharano tanteraka: antsikafona avokoa aloha ny zava-drehetra, fa misy tena mikorontana. Mba hahazoana ny […]

Otrikafo momba ny fanehoan-kevitra: “Mila mahasarotiny ny fiandrianampirenena”

“Marina fa tsy ekena ireny karazana teny mita navoa­kan’ny minisiteran’ny Atitany ireny, izay lazaina hoe manohintohina ny fomba na ny fahalalahana maneho hevitra. Nefa tsy ny sehatra iraisam-pirenena no heverina hoe tokony hanome lesona antsika amin’ny toy ireny.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera je­neralin’ny Otrikafo, Rabeva­hiny Elia, manoloana ny nambaran’ny […]

Atsinanana, Alaotra Mangoro.. : foaran’ny fampandro­soam-paritra

Raikitra ny “Business Forum Regionaux – II”. Hi­fantoka amin’ny fampandrosoana faritra telo any atsinanan’ny Nosy ny “Business Forum Régionaux” amin’ity andiany faharoa ity. Anisan’ny hisitraka izany ny any Atsi­nanana sy Alaotra Mangoro ary Analanjirofo. Anisan’ny hojerena manokana amin’izany ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fihariana amin’ireo faritra telo ireo, amin’izao […]

Fandaniam-bolam-panjakana : hohafainganina ny fikirakirana antontan-taratasy

Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fanatsarana sy fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasim-panjakana ho amin’ny fandaniam-bolam-panjakana. Mazava ny toromariky ny filohan’ny Repoblika tamin’izany. Havaozina ny fomba fiasa mba tsy hampikatso ireo asa efa nankatoavina tamin’ny alalan’ny fanaovana tsenam-baro-panjakana. Nanovàna, araka iza­ny, ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana […]