Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tetsy Ampahibe, omaly, ilaina ny firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy ny fanatanterahana ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Ho fanomanana sahady io fety anisan’ny manamarika tantaram-pirenena io, nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fivorian’ny kaomity nasionaly mpikarakara ny fankalazana izany, […]
Taratra
Ho voky !
Nankalaza ny andron’ny alakamisy masina ny mpino kristianina, omaly. Andro namoronana ny eokaristia masina, izay marika famantarana mandraka ankehitriny fa miaraka amin’ireo mpino azy hatrany i Jesoa Kristy. Andro lehibe ho an’ireo manara-dia azy izany, satria fanamafisana ny fifamatorana. Mofo sy divay, na vatana sy ran’i Kristy, famantarana ny fitahiana […]
Tambajotra Gool Den Team : mpianatra 25 voasambotra
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo tanora mpametaveta tovovavy virijiny sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. 22 ireo mpianatra voasambotra miampy ireo telo lahy mpitarika. Tsy mety fay mihitsy! Tsy niandry ela fa taorian’ny fitsirihana ireo kizo ahina fa misy ny fiafenan’ireo zatovolahy mivondrona ao anatin’ny fikambanana mpametaveta ankizivavy virijiny “Gool Den […]
Analamahitsy : mpanendaka niharan’ ny fitsaram-bahoaka
Nanantena hahazo mora ny hatsembohan’ny sasany ! Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray voasambotry ny fokonolona tetsy Analamahitsy, afakomaly hariva. Miandry ireo mpandalo mandeha an-tongotra anatin’ny lalana maizina mampitohy an’ Analamahitsy sy Nanisana ireto olon-dratsy ireto. Niisa telo izy ireo no nikasa hanao ny asa ratsiny. Sendran’ny fokonolona, nataon’ireto farany […]
Fiatrehana ny fetin’ny Paka… : polisy 1 580 hisahana ny filaminana eto Analamanga
Polisy manodidina ny 1 580 indray hisahana ny filaminana eto Analamanga mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka ho avy izao. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, 200 ireo polisy manara-maso eny amin’ireo fiangonana. Ho an’ny Avaradrano indray, 152 ireo polisy hahetsika ka 32 misahana eny amin’ny fiangonana raha […]




