Taratra

Egypta-Madagasikara : vahaolana amin’ny rano any Atsimo

Nihaona tamin’ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Ravokatra Fidi­ni­a­vo, omaly, ny masoivohon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rtoa Rabab Abdelhadi. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay eo amin’i Madagasikara sy i Egypta. Nambaran-dRtoa am­basadaoro fa maromaro ireo sehatra izay ahafahan’ny roa tonta miara-miasa, toy ny tetikasa andrana […]

Famokarana provandy : mahaleo tena ny kaoperativa Fanamby

“Machine presse” manasaraka ny menaka ao anaty soja mahazaka hatrany amin’ny 25 kva. Milina fanjairana kitapo asiana ireo vokatra. Ireo ny fitaovana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana tamin’ny alalan’ny tetikasa “Casef” nomena ny kaoperativa Fanamby ao amin’ny kaominina Soanin­dra­riny, faritra Vakinan­kara­tra. Ankehitriny, afaka mividy katsaka sy soja any […]

Lavanila : hohalalahana tanteraka ny vidiny

Taorian’ireo hetsika na­taon’ireo mpandraharaha la­vanila tao Antalaha, ny herinandro lasa teo, tonga tany an-toerana, ny alatsinainy teo, ny minisitry ny Indostria, Razafindravahy Edgard. Ni­haona tamin’ireo mpandraraha ho tohin’ny fihaonana ny herinandro teto an-drenivohitra izy. Nandritra izay, nikaondoha niaraka ireo mpandraharaha hamahana ny olan’ny lavanila. Tapaka tamin’izay fa hohalalahana tanteraka ny […]

Seha-pampandrosoana : namatsy vola 600 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena

Vonona hanohana an’i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Voakasik’izany ny fampiroboroboana ny fahazoana angovo, ny fifandraisan-davitra niomerika ary ny fambolena. Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Ban­ky Iraisam-pirenena, ny 30 marsa 2023 teo, ny famatsiana tetikasa mitentina 600 tapitrisa dolara, fampindramam-bola an’i Madaga­sikara. Hoentina hanohanana ny sehatrasa mitondra fampandrosoana, amin’ny lafiny […]

Autisme Madagascar : “Tsy misy politika fiahiana ny olona marefo”

Nanadihady momba ny fiahiana manokana ny olona manana fahasembanana nandritra ny fisian’ny valanare­tina Covid-19 tao anatin’ny faritra enina be mponina in­drindra ny fikambanana Au­tisme Madagascar. « Mitovy isika miatrika ny Covid-19 » ilay tetikasa ary niompana tamin’ny faritra Boeny, Atsi­nanana,Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana ary Analamanga. Nivoitra taorian’ny fanadihadiana notanterahina nandritra ny […]