Taratra

Seces Fianarantsoa : “Aza andrasana hihetsika ny mpampianatra…”

Manoloana ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato ta­min’ity herinandro ity, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Fianaran­tsoa fa toherin’izy ireo ny fidiran’ny mpitandro filaminana ny faritry ny oniversite sy ny fanalana ny “franchise universitaire” nahafahan’izy ireo niditra sy nisambotra mpi­anatra nandritra ny hetsika. Nanelingelina sy nampisavoritaka ny […]

American Corner : maimaim-poana ny antontan-kevitra ao amin’ny eLibraryUSA

Notanterahina teny amin’ ny American Corner Anta­na­na­rivo ny fampianarana manao fikarohana avo lenta amin’ny tambajotra internet, nataon’i Marcy Carrel, talem-paritry ny fifandraisana amin’ny daholobe, ao amin’ny masoivoho amerikanina. Nasehon’i Marcy Carrel an’ireo mpitantana ireo ny fomba fampiasana ny kara­zana antontanisa sy antontan-kevitra maimaim-poana, ao amin’ny eLibraryUSA. Ahi­tana asa fikarohana avo […]

Vokatry ny fisotroana toaka : 0,5% ny zaza voan’ny aretina eto Madagasikara

Ambony ny tahan’ny zaza marary eto Madagasikara raha oharina amin’ny maneran-tany. Vokatry ny fisotroan’ny reny mitondra vohoka sy mandritra ny fampinonoana, toaka izany. Misy fiantraikany amin’ny vatany sy ny atidohany ary ny toe-piainan’ny zaza izany, raha ny nambaran’ny mpitsabo. Zaza 1 hatramin’ny 3 amin’ ny arivo ny zazakely tra­tran’ny aretina […]

Fifidianana : hampiantso fikaonandoha indray ny Ceni

Tsy mbola mifarana eo. Hiditra amin’ny dingana ma­naraka amin’ny famoriana ireo mpiantsehatra politika rehetra indray ny eo anivon’ny Ceni, ato ho ato, araka ny nambaran’ny tale kabinetran’ ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity, Andriamifidy Jean Louis, omaly. Namba­rany fa iarahana mijery amin’izany ny fomba hanatanterahana ireo tolokevitra voaray tamin’ilay fihaonambe, […]