Taratra

Rebecca Weingartner : hizara ny fahaizany mandihy

Hotontosaina, anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely, ny fampisehoana dihy tarihin’i Rebecca Weingartner. Ny ma­soivohon’i Suisse eto Mada­ga­sikara miaraka amin’ny Com­pagnie Lovatiana no mi­karakara ny hetsika. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “Festival Miaraka” andiany fahatelo. Hahazo vahana manokana ny dihy amin’ity anio ity, amin’ny maha fampisehoana dihy azy. […]

Fizahantany : nomena lanja ny valiha

Nifarana, omaly, ny « Va­li­ha sy ny Fizahantany » na ilay fampiofanana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany, nanatevim-pahalalana momba ny kolontsaina malagasy. Niompana tanteraka tamin’ny fampahafantarana ny valiha (zavamaneno malagasy) ny fampianarana. « Satria, fahita manerana an’i Madagasikara ny valiha. Iray amin’ireo singa mahasarika ny mpizahantany, tahaka ny ravinala, ny baobab, sns. […]

Jobily volamena sy Amboaran-kira Paska : hanolotra ny « Hery iray » ny Chorale Orimbato

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taona nijoroany. Hanatanteraka antsa Paska ny antokompihira Orimbato ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Ao anatin’ny jobily vo­lamenan’ny Chorale Orimbato, hanolotra ny Amboarankira Paska ho fankalazana ny Paska 2023 izy ireo. Fampisehoana nosalorana ny lohateny « Hery iray ». Nankinina amin’ny So­ra­tra Masina araka ny 2 Korintiana […]

Baolina kitra : vehivavy 40 nahazo fiofanan’ny UEFA

Notanterahina tao amin’ny Novotel Ivandry, ny 3 sy 4 avrily lasa teo, ny fiofanana notarihin’ny “Union Euro­pean Football Associations” (UEFA), ho an’ny vehivavy, izay mitondra ny lohahevitra “Football pour les femmes”. Vehivavy miisa 40 no nahazo torolalana amin’ny resaka fitantanana ara-bola “Mar­keting”, fitarihana na “leadership” sy ny ara-teknika, tamin’ity andiany […]