“An-dalana amin’ny fanontana ny lisitra vonjimaika ny Ceni amin’izao. Izay no nampiasana ny rindrambaiko sy nanaovana fitsirihana. Hitany amin’ny antsipiriany izay” , hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny tatitry ny Fikambanana iraisam-pirenena frankofonia (OIF) ny amin’ny fitsirihana natao teny anivon’ny Ceni. Momba ny anarana miverina: […]
Taratra
Loka « Pierre Castel » : fifaninanana ho an’ny tanora
Misokatra indray ny fifaninanana loka « Pierre Castel », karakarain’ny vondrona Castel, amin’ny alalan’ny orinasa Star. Mitodika amin’ny tanora malagasy mpandraharaha, hamorona tetikasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny ara-tsakafo aty amin’ny faritra Afrika. Tanjona, ny hitondrana vahaolana maharitra sy hitondra fampandrosoana maharitra eo amin’io sehatra io. Taona faharoa eto […]
Hisy fepetra vaovao : miverina ny fanondranana volamena any ivelany
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 30 marsa teo, ny fanafoanana ny fampiantoana ny fanondranana volamena any ivelany. Nankatoavina tamin’io fotoana io koa ny didim-panjakana vaovao mifandraika aminy. Nanazava ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly, fa misy ny fepetra sy ny dingana vaovao tsy maintsy […]
CUA – Application Matac : hanamora ny fahazoan-dalana hanorina
Nahazo fitaovana informatika antsoina hoe: application “Matac/Hanorina” avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Natolotra tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely izany. Tanjona ny hanamorana sy hanampiana ny teknisianina amin’ny fikarakarana ny fahazoan-dalana hanorina (permis de construire). “Mahatratra 300 ny isan’ny fahazoan-dalana hanorina nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra alalana tamin’ny taona […]
Fandaharanasa Fihariana: miisa 100 ny tetikasa tohanana tato anatin’ny 3 volana
Isan’ny fandaharanasa manohana ara-bola sy ara-teknika ny malagasy mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Fihariana. Isan’ny omena lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha, indrindra ireo manana zava-baovao sy miantraika amin’ny toekarena sy ny tontolo iainana. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fihariana. Isan’ny ataony laharam- pahamehana ny vehivavy mpandraharaha. […]




