“Manasa ny HCC hifampiresaka amin’ny mpisehatra amin’ny fifidianana mba hahazoana mamantatra ny hetahetan’izy ireo, hananany toky fa fijery ara-drariny amin’ny fanapahan-kevitra raisiny no ataony ao anatin’ny asa sahaniny”, hoy ny Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), nosoniavin’ny filohany, Rakoto Andrianirina Fetison. Tokony hanazava ny andraikiny amin’ny fifidianana koa ny HCC. […]
Taratra
Fandrarana hetsika ankalamanjana: nohelohin’ny MMM ny fanambaran’ ny minisitra Tokely
Tsy niandry ela fa nitondra valin-kafatra manoloana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, ny 31 marsa teo, ny antoko Malagasy miara-miainga. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo tamin’izany. Nasongadin’ny fanambaran’ny MMM fa tsy afaka ny hangina izy ireo amin’ny fepetra fandrarana ireo hetsika ara-politika atao ankalamanjana […]
Fiatrehana fifidianana : miantso fampitsaharana herisetra ny FFKM
“Mahatsapa ny FFKM fa mitombo ny fifampihantsiana. Koa manamafy ny antso efa nataony ny FFKM hitandroana hatrany ny fiadanana sy ny fandriampahalemana ary ny fihavanana ka hampitsaharana ny herisetra amin’ny endriny rehetra.” Io ny fanambaran’ny FFKM, novakin’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny famaranana ny fihaonambe voalohan’ny solontenan’ny faritra […]
Mila matoky tena
Izay fantatra, hono, no tiana, raha tsara sy mety amin’ny tena. Izay tiana no hajaina, izay hajaina no omen-kasina, izay omen-kasina no mahasaro-piaro, izay mahasaro-piaro no tandrovina toy ny anakandriamaso… Mby aiza? Manomboka eo amin’ny tsirairay aloha. Tena mahalala tena ve? Kibo mitsara tena ny tsirairay: iza izy, hanao inona, […]
Nivadika sady nirehitra : 7 namoy ny ainy, kila tao anaty fiara
Olona 7 niara-namoy ny ainy vokatry ny firehetan’ny taksiborosy mampitohy an’ Ambovombe sy Taolagnaro, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nitondra mpandeha miisa 24 ity fiara mpitatitr’olona ity. Nivarina tampoka teo amin’ny fiolanana mivoaka 1 km ny fokontany Bevilany mihazo an’Ambovombe Androy izy ireo. Samy nanavotra ny ainy, araka izany, ireo mpandeha. […]




