Voasambotry ny polisy teo Ampefiloha noho ny fitsindronana zava-mahadomelina mahery vaika ny tovolahy roa (mpirahalahy). Teo akaikin’ny tranony ihany izy roa lahy no tratran’ny polisy niaraka tamin’ireo zava-mahadomelina. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny fitaovana fampiasany amin’izany. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny fisian’ireo roa lahy mitarika tsy fandriampahalemana eny an-toerana […]
Taratra
Tonga hatrany Befandriana : tratra ireo mpanaparitaka vola sandoka
Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Befandriana Avaratra, ny zoma teo, ny olona roa voarohirohy ho mpanaparitaka sady mpanamboatra vola sandoka. Voalazan’ny fampitam-baovao, miely ny feo fa misy andian’olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanànan’i Befandriana Avaratra. Nanao ny fitsongoan-dia ireo jiolahy ahiahiana ny polisy. Nohamafisina ny fisafoana ireo fitaovam-pitaterana mifamezivezy, […]
Anosizato : mpivarotra amoron-dalana iray matin’ny jiolahy
Nirefotra ny basy teny Anosizato andrefana, ny sabotsy teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy teny an-toerana, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo. Olon-dratsy telo lahy no niditra toy ny olon-drehetra tamina tokantrano iray teny an-toerana. Nirongo basy ireto mpanafika ka nandroba vola tao amin’ireo tompon-trano. Taorian’izay, nitsoaka ny olon-dratsy. Nahazo […]
Andranomena : mpitondra moto nosokirina tao ambany kamiao
Lehilahy mpitondra moto iray no maty tsy tra-drano raha naratra mafy kosa ny iray hafa rehefa nifandona tamina kamiaobe teny Andranomena, ny sabotsy teo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Ambodimita, afakomaly atoandro. Kamiaobe iray sy moto roa samy nihazo ny lalan’Andranomena no tra-doza tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany teo. […]
Sina – Madagasikara : namokatra hajia vaovao
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ireo hajia vaovao manamarika ny 50 taona niaraha-niasa eo amin’i Sina sy i Madagasikara, natao tetsy Nanisana, omaly. Azon’ny rehetra ampiasaina manomboka izao ny hajia mitetina 5 200 Ar. “Natao hampiasaina amin’ ny antontan-taratasim-panjakana sy amin’ny fandoavan-ketra ny hajia”, hoy ny minisitry ny Paositra sy ny […]




