Taratra

29 marsa 1947 – 29 marsa 2023 : ho lasa fitiavan-taningazana sisa ny an’ny Malagasy

Vao andro vitsy no nilaozana ny 29 marsa. Vanim-potoana heverina fa anisan’ny namaivay tanteraka teo amin’ny fanehoana fitiavan-tanindrazana ho an’ny Malagasy… 76 taona aty aoriana, mbola milaza fa tia an’i Madagasikara hatrany ny Malagasy. Am-bava izay fa ny tena zava-misy marina… Raha vao voakitika io maha Malagasy io, tohina ihany […]

Fivato : “Miteraka fahantrana ny kolikoly”

“Misy manao resaka mi­hodinkodina. Ireo tsy te hiala amin’ny kolikoly no tena manao an’izay hoe: tsy afaka ny kolikoly, raha mbola firenena mahantra. Diso izany. Ny kolikoly no miteraka ny fahantran’ny firenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fitaizana va­tana tomady (Fivato), Radim­bie­lson William, manoloana ny ady amin’ny kolikoly. Tsy […]

Governoran’ny faritra Betsiboka : “Manohitra ny fanovana ny lalàm-pifidianana izahay”

“Manohitra ny fanovona ny lalàm-pifidianana izahay”, hoy ny governoran’ny faritra Betsiboka, Randrianjafi­nin­drina Jean-Roger. Manaitra an-dry zareo ny fanambaran’ny sasany hoe tokony horavana ny HCC sy ny Ceni, hovaina ny lalàm-pifidianana. Nefa efa lalàm-pifidianana nanatanterahana fifidianana nahavoafidy ny filoha Rajoelina, taona 2018, io. Tsy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao no nametraka […]

29 marsa – Antsirabe : niharan’ny fanilikilihana ny depiote Tim

Nanao fanambarana ma­nameloka tanteraka ny fanilikilihana sy fanavakavahana natao taminy ny depiote Jean François Michel “Havako aby”. Anisan’ireo manampahefana nasaina hametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato, manoloana ny gara ity olom-boafidy ao Antsirabe I ity, ny 29 marsa teo. Tsy tanteraka, araka ny tokony ho izy, anefa izany raha tsy efa […]

Fitsarana : mpisolovava 36 nianiana

Noraisin’ny fitsarana am­bony teto Antananarivo ny fia­nianan’ireo mpisolovava 36 mianadahy. Natao tetsy amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy, omaly, ny lanonana. Hiasa avy hatrany ny 2 amin’izy ireo. Mbola manao ny fianaran-draharaha kosa ny 34 ambiny. “Tsy maintsy manao fianianana ireo mpisolovava tsirairay avy alohan’ny handraisany ny asany”, hoy ny lehiben’ny […]